PolitikaSongadim-baovao

FANDAVAN’NY VONDRONA EOROPEANINA NY COVISHIELD: Inona no tena marina? Miandry ny fanazavan’ny OMS ny rehetra

Tsy nisy tsy taitra ny rehetra raha nahita ny fanambaran’ny Masoivohon’i Frantsa milaza fa tsy tafiditra ao anatin’ireo Vaksiny hankatoavina ao Eoropa ny Covishield. Inona no tena marina? Inona no ambadika? Fanontaniana maro no mipetraka manoloana ity fanambarana ity satria ny Masoivoho maro no tonga nitsena tamin’ny fomba makotrokotroka ity Vaksiny ity teny Ivato ny volana Mey teo. Isan’izany ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, ny OMS, ny UNICEF sy ny sisa.

Azo avy amin’ny “Initiative Covax” ny Vaksiny Covishield niditra sy nampiasaina teto Madagasikara tato anatin’izay iray volana mahery kely izay. Tsara ho fantatra fa ny Rafitry ny Firenena Mikambana (OMS) sy ny Vondrona Eoropeanina dia anisany mpamatsy vola sy mpanapa-kevitra ao anatin’izany “Initiative Covax” izany. Dikany, efa nahafantatra tsara ny toetoetry ny Vaksiny, sy ny mety ho fahombiazany ireto Rafitra ireto nialohan’ny nanapariahany izany tamin’ireo Firenena maro taty Afrika. Ankehitriny anefa, milaza indray ny Vondrona Eoropeanina, tamin’ny alalan’ny Masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto amintsika, fa Vaksiny efatra ihany no hankatoavina raha hiditra ao Eoropa. Isan’izany ny Moderna, Pfizer, Johnson/Johnson, ary ny AstraZeneca. Tsy tafiditra tao anatin’ireo nahazo fankatoavana noho izany ny Covishield. Ny tsara ho marihina koa anefa, fa araka ny fikarohana dia mitovy tsy misy valaka ny akora rehetra hanaovana ny Vaksiny Covishield sy ny AstraZeneca. Izany hoe, Vaksiny mitovy ihany ireo, fa ny toerana namokarana azy sy ny anarany fotsiny no samy hafa. Mahagaga anefa fa tsy nekena ny Covishield.

Tonga nitsena ny OMS sy ny Vondrona Eoropeanina

250 000 isa. Io no tontalin’ny vaksiny Covishield andiany voalohany azontsika. Ny sabotsy 8 mai 2021 no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny ivato ireo andiany voalohany ho an’i Madagasikara avy amin’ny Initiative COVAX ireo. Anisany tonga nitsena izany teny an-toerana ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina miasa sy monina eto amintsika, Andriamatoa Giovanni DI Girolamo, sy ny Solontena maharitry ny OMS eto amintsika, niaraka tamin’ireo Masoivoho vahiny maro. Fihetsika izay midika ho fankasitrahana sy fankatoavana ny Vaksiny. Ary raha tsiahivina aza, dia isan’ireo natao Vaksiny teto an-tanindrazana ity tomponandraikitra voalohan’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika ity. Mahagaga tanteraka, noho izany, ny fanambarana aty aoriana fa tsy nahazo fankatoavan’ny Vondrona Eoropeanina ny Vaksiny Covishield. Izany no mahatonga ny fangataham-panazavana aminy, sy ny OMS, mahakasika ity raharaha ity.

Vaksiny ho an’i Afrika sy Eoropa?

Nandritra ny fanambarany omaly, nilaza ny Minisitry ny Fahasalamana Malagasy, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa mampametra-panontaniana tanteraka ny zava-misy. “Misy ve vaksiny omena ny Afrikanina, dia misy Vaksiny natokana ho an’ny Eoropeanina?”, hoy izy nametra-panontaniana. “Miandry valiny sy fanazavana avy amin’ny OMS isika”, hoy izy. Ho antsika teto Madagasikara manokana, dia 163 000 fatra tamin’ny 250 000 fatra azontsika no nampiasaina. Izany hoe, ny 65%-n’ny Vaksiny.

Ireo tranga rehetra miseho ankehitriny ireo dia anisany manamarina ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana hatrany am-piandohana. Raha tsiahivina, efa nilaza mazava ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy “contre” na manohitra Vaksiny akory, fa amin’ny maha aim-bahoaka ny resaka, dia ilàna fahamalinana sy fanarahamaso hentitra mba tsy hampidi-doza. Misy koa ireo minia manely tsaho ankehitriny, manoloana ny dian’ny Filoha any ivelany ankehitriny, izay milaza fa efa vita vaksiny ny Filoham-pirenena. Ny tsara ho fantatra anefa dia ankoatra ny fanaovana ireo vaksiny efatra voatanisa etsy ambony ireo, dia fepetra hahafahana miditra ao Eoropa koa ny fananana fanamarinana fahavitana fitiliana PCR 72ora mialoha.

Ny Fanoratana.  

Fermer