Songadim-baovao
Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana : Mila hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny fisavana ny antontan-taratasy
Nateti-piseho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona na nanimbana zavatra. Nanentana ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, omaly, fa tokony ho hentitra amin’ny fisavana ny antontan-taratasin’ny fiara, indrindra ny mikasika ny fitsirihina ara-teknika…

Mateti-pitranga tato ho ato ireo lozam-pifamoivoizana nahafatesana na naharatrana olona, eny fa na ireo nanimbana zavatra aza. Maro ny fanehoan-kevitra avy amintsika tsirairay manoloana ireny trangana lozam-pifamoivoizana samihafa ireny. Trangan-javatra anankiray hisintonana ny eritreritra ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Ampotatra Taolagnaro, ny 17 jona lasa teo, izay fiara 4X4 iray tapaka hisatra nifaoka fiara sy bajaj ary môtô ka naharatrana zazalahy iray, 7 taona. Taorian’ny fanamarinana nataon’ny Foibe Fitsarana Fiarakodia mikasika io fiara io, dia hita fa efa tratran’ny « contrôle inopiné » nataon’ny Ivon-toerana Fitsarana Fiarakodia Taolagnaro ny 16 Jona 2021 teo io fiara tra-doza io ary efa lany paikandro, ny 21 aprily 2021 (visite technique expirée).
Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Foibe Fitsarana fiarakodia, ny Jly Nicolas Tsirivelo fa « betsaka ny antony mahatonga ny loza ka ny ampahany betsaka amin’izany dia ny tsy fitandreman’ny mpamily. Ny fanaovana fitsirihana ara-teknika ny fiara dia anisan’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ». Misy anefa ireo fiara tsy mandalo fitsirihana ara-teknika mihitsy na efa lany paikandro (visite technique expirée), kanefa mbola minia mivezivezy ihany ka mitera-doza. Noho izany, entanina isika mpitandro filaminana (Zandary sy Polisy) manara-maso ny fifamoivoizana eny an-dalambe, mba ho hentitra amin’ny fisavana ny antontan-taratasin’ny fiara, indrindra ny mikasika ny fitsirihana ara-teknika (visite technique), raha ny fanampim-panazavan’ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia. Ny Foibe fitsaràna fiarakodia rahateo, dia manentana hatrany ireo tompona fiara na ny mpamily, mba hanara-dalàna sy hikojakoja mandrakariva ny fiarany fa « lahitokana ny aina ».



