KolontsainaSongadim-baovao
FETIN’NY MOZIKA 2021: Nahavita dingana ny Minisitera ho fametrahana ny satan’ny mpanakanto
21 Jona 2021. Hankalazaina anio ny Fetin’ny Mozika amin’ity taona ity. Isan-taona dia tsy diso anjara amin’ny fankalazana izany isika eto Madagasikara. Ny taona 2020 kosa, noho ny firongatry ny valanaretina dia tsy nisy ny hetsika natao. Ankehitriny, mbola mitoetra ny Hamehana ara-pahasalamana, ka natao ampitain-davitra avokoa ny seho an-tsehatra rehetra. Izany hoe, tsy misy ny famoriana vahoaka marobe.
Nanomboka ny taona 2019 dia nanao ho zava-dehibe ny fankalazana ny fetin’ny mozika ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay miahy ny kanto ary miahy ny mozika. Manerana ireo firenena rehetra mankalaza ity fety ity dia eny an-dalambe sy eny an-kianja no mikorana sy mahoraka ny feon’ny mozika sy ny hira isan-taona. Raha tsiahivina, teo amin’ny tokontaniben’ny Tranombokim-pirenena no nifaly avanja ny mpanakanto maro ny tontolo andron’ny 21 Jona 2019 ary izay no ivon’ny fankalazana tamin’ny taona 2019. Ny taon-dasa 2020 anefa dia tsy afaka nankalaza izany isika noho ny toe-draharaha nanahirana manerana izao tontolo izao. Ho an’ity taona 2021 ity kosa, natao tamin’ny endrika hafa kely ny fankalazana satria dia amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny internet no tena hankalazana izany, noho ny mbola fisian’ny Hamehana ara-pahasalamana.
Fandraisana fanapahan-kevitra
Ao anatin’izao fankalazana ny fetin’ny Mozika izao dia nisy ny lahateny nataon’ny Minisitra mpiahy, Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo, izay niresahany ny toe-draharaha iainan’ny mpanao mozika sy ny mpiangaly ny kanto amin’ny ankapobeny amin’izao toe-draharaha manahirana maneran-tany izao. Nambarany nandritra izany fa tsy afa-bela tamin’ny fiantraikan’ny Covid-19 ny sehatry ny mozika sy ny zava-kanto tamin’ny ankapobeny. “Nanahirana hatrany ny fanapahan-kevitra teto anivon’ny Fitondram-panjakana satria etsy an-daniny te hiaro ny ain’ny mpisehatra ao anatin’ny kanto amin’ny areti-mandoza, etsy ankilany te hanome sehatra azy ireo ahafahany mivelona”, hoy ny fanambarany.
Politikan’ny Kolontsaina
Na dia teo aza anefa ny fanapahan-kevitra nanahirana dia tsy nitarai-tana-miepaka ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra izay herintaona izay fa niady mafy ny ahafahan’ny mpanakanto misitraka fanampiana. « Ekena fa tsy mahasolo ny fidiram-bolantsika mpanakanto ny fanampiana nomena kanefa natao ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny ain’ny mpiara-belona », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Fotoana izay nanambarany ny mahakasika ny fahalaniana teo anivon’ny Antenimierampirenena ny Volavolan-dalàna mahakasika ny Politikam-pirenena momba Kolontsaina. Dingana lehibe izao vita izao, hoy izy, satria ny taona 2011 no nisy fanavaozana farany ny Politikan’ny kolontsaina. Maro ny zava-baovao entin’ity lalàna ity eo amin’ny sehatry ny kolontsaina fa ho an’ny mpanao mozika dia ny fametrahana ny maha-matihanina ny artista malagasy ka ahafahantsika misitraka tombontsoa maro amin’ny alalan’ny fametrahana ny satan’ny mpanakanto no tena isan’ny zava-dehibe ao. Avy amin’io satan’ny mpanakanto io tokoa no ahafahana misitraka ny fiahiana ara-tsosialy isan-karazany tahaka ny fisotroan-dronono, ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny sisa. Ny dingana manaraka dia ny fandalovan’izany volavolan-dalàna izany eo anivon’ny Antenimierandoholona.
« Tena eo anilan’ny mpanakanto, tena eo anilan’ny mpanao mozika ity Minisitera ankehitriny ity ary miezaka hatrany mitady ny vahaolana rehetra amin’ireo olana efa ela mianjady amin’ny mpanakanto Malagasy », hoy izy nanome toky ireo mpanakanto.




