PolitikaSongadim-baovao

VAOVAO DISO NINIANA NAELY: “Tsy mihinana hoditr’omby fanaovana kapa ny Mponina any Androy!”

Nisy ny fanambarana navoakan’ny Governoran’ny Faritra Androy omaly manoloana ny horonantsary naparitaky ny mpanao gazety vahiny iray miasa sy monina eto amintsika, izay naneho ireo Mpiray tanindrazana any Atsimo mahandro hoditra avy nanaovana kapa any an-toerana. Nandiso izany ny Governora, ary nilaza fa horonantsary namboamboarina iny fa tsy tena zava-misy.

Tsy nisy tsy taitra ny rehetra raha nahita ny horonantsary naparitaky ny mpanao gazety vahiny miasa eto amintsika izay naneho ny Mponina any amin’ny Faritra Androy izay mahandro hoditra kiraro atao sakafo noho ny tsy fisian’ny sakafo any an-toerana, araka ny fanazavana. Nifanesy ny fanehoan-kevitra taorian’izany, ary azo ambara mihitsy fa tratra ny tanjon’ity mpanao gazety iray ity, dia ny hanaratsiana endrika ny Mpitondra Fanjakana sy i Madagasikara iray manontolo mihitsy amin’ny alalan’ny famoahana vaovao tahaka izany. Nanoloana iny horonantsary niparitaka iny, dia nanameloka tanteraka ny fanapariahana vaovao diso nataon’ny mpanao gaztey vahiny ny Governoran’ny Faritra Androy, Soja Lahimaro. “Heno ao anatin’ny horonantsary mihitsy ny zavatra namboamboarina tamin’izany. Efa ela no nisy kere taty Atsimo fa tsy mbola nisy nahandro vodikiraro izany taty. Moa ve ny aty Androy dia tsy misy afatsy ny dahalo, ny kere sy ny zavatra ratsy rehetra?”, hoy izy. Ity Governoran’ny Faritra Androy ity izay nampahatsiahy ireo ezaka rehetra efa nataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ho an’ny any Atsimo. Tsy mbola nisy Mpitondra, hoy izy, teto amintsika nahasahy namaky ady ho famongorana ny kere, raha tsy ny amin’izao.

Nosandaina mofo sy fitaovan-dakozia

Omaly, nisy ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety malagasy ao amin’ny Faritra Androy. Nandritra io fanadihadiana io, nanambara ireo mponina voalaza fa nihinana kiraro tao anatin’ny Horonantsary niparitaka fa nosandaina mofo sy fitaovan-dakozia vitsivitsy izy ireo mba hihinana an’ireo hoditra kiraro ireo. Nisy tamin’izy ireo no nanda tsy nihinana na dia efa notambazana an’ireo sakafo sy fitaovana ireo aza. Nanamafy ireo mponina avy any an-toerana fa fady azy ireo ny mihinana kapa. Noho izany, raisin’ireo  mponina ho fanambaniana azy ireo no nataon’ity mpanao gazety ity. Nambaran’izy ireo fa olona tsy mahafantatra akory ny tena fiainana any Atsimo no miteny toy ireny.

Tetsy ankilany, nitondra ny fanehoan-keviny manoloana iny fanadihadiana niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera sosialy iny ny Solotenan’ny PAM eto amintsika, Théodore Ben Hassen. Nambarany fa tsy vita ny manova ao anatin’ny andro iray ny zava-misy any Atsimon’ny Nosy. “Nifanerasera betsaka taùmin’ireo mponina any atsimon’ny Nosy aho nandritra ny fotoana maro tao anatin‘izao krizy ara-tsakafo izao. Marina fa misy tokoa ireo mihinana voan-draketa, na ny mihinana voamadilo ampiarahana amin’ny lavenona, fa tsy mbola nahita olona mihinana hoditra amin’ny kiraro izany ny tenako”,  hoy ity tomponandraikitra ity.

Ny Fanoratana

Fermer