Songadim-baovao
Tsy fanarahan-dalàna an-dalambe : Fiara folo tratra tsy nisy fitsirihana ara-teknika teny Atsimondrano
Nanatanteraka fidinana ifotony teny amin’ny faritra Atsimondrano iny ny avy eo amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, afakomaly sy omaly. Fiara miisa folo no sarona tsy misy fitsirihana ara-teknika, ka tsy maintsy nampidirina am-balam-pamonjana. Hitohy amin’ny faritra manodidina ny renivohitra ny hetsika…

Anisan’ny andraikitry ny Foibe Fitsarana Fiarakodia (DGSR) ny manara-maso ireny fiara mety hampidi-doza noho ny faharatsiana eo amin’ny lafiny teknika na eo amin’ny lafiny endrika ivelany ary ny fiara manetroka. Nidina teny amin’ny Kaominina Soavina Atsimondrano sy Ampanefy ary Ankadivoribe iny ny ekipa avy ao amin’ny « Service des Opérations et Contrôles routiers » ny 22 sy 23 Jona teo, ka fiara miisa 10 no tratra, izay marihina fa tsy nisy fitsirihina ara-teknika na « Visite technique ». Efa ratsy endrika ivelany sy anatiny koa ary nisy ny nanana olana ara-teknika ka ampidirina am-balam-pamonjana. Ny tanjona, mba hisorohana ny loza sy fampanarahan-dalàna satria fiara mpitatitra olona ireo. Misaotra ireo olona tsara sitrapo nanome ny vaovao ary niantso ny laharana 03414 010 05 ka nahafaha-nandray fepetra. Entanina koa ireo mahita fiara ratsy sy manetroka, mba hiantso io laharana io. Mbola hitohy amin’ny faritra hafa manodidina ny Renivohitra izao hetsika izao ka entanina ny tompon’ny fiara mba hikojakoja ny fiarany ary hanao “visite technique” satria lahy tokana ny aina.
Politika ankapoben’ny Fanjakana

Nasongadin’ny Jly Tsirivelo Nicolas Tale jeneralin’ny DGSR hatrany fa « fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izao tontosaina izao, dia ny fametrahana ny tany tan-dalàna, iarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany amin’ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika ». Tafiditra koa ny fiarovana ny tontolo iainana, noho ireo fiara mamoaka setroka tafahoatra, sy fanenjehana ireo fiara, izay efa tena ratsy sy simba lava ka mitarika fitohanan’ny fifamoivoizana. Ho hentitra ny fisavana amin’ny tsy fanarahan-dalàna, toy ny tsy fanaovana fitsirihana ara-teknika mihitsy sy ireo efa lany fetrandro, indrindra fa ireo fiara nahitana tsy fahatomombanana na “Inapte”, nefa mbola miasa sy mifamezivezy. « Loza mitatao ho an’ny mpanjifa sy ny ain’ny olona mihitsy, ny tsy fahatomombanana ara-teknika, toy ny faharatsian’ny fiara ao anatiny sy ivelany, ny fiara mamoaka setroka tafahoatra, ny fiara taxi, izay mampiasa solika alefa mivantana amin’ny bidao na tavoahangy « réservoir directe », ny tsy fananana taratasy na tsy fanatanterahana fitsirihana ara-teknika mihitsy ary koa ny fampiasana hosoka », hoy izy. Tsy ekena ny fanelanelanana, mba hisian’ny fifamoivoizana hieren-doza.




