KolontsainaSongadim-baovao

FITSINJOVANA NY ARTISTA: Nosokafana ny fahafahana manao fampisehoana

Taorian’ny fandaharana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady teo, nisy ny fanambarana fampiharana nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mahakasika ireo teboka mifanandrify amin’ny sehatry ny Kolontsaina, dia ny fahafahan’ny mpanakanto manao fampisehoana ankalamanjana. Tsy mihoatra ny 400 kosa ny mpijery amin’ireo Distrika enina mbola ahitana trangana coronavirus, isan’izany ny eto Antananarivo.

Ho fanatanterahana ny fepetra vaovao hoentina miady amin’ny valanaretina Covid-19, mifandraika amin’ny lafiny Kolontsaina, nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady teo, dia nisy ny fanambarana fampiharana navoakan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly. Nivoitra nandritra izany fa efa azo atao manomboka izao ny manao fampisehoana ara-javakanto ankalamanjana na anaty efitrano, ary tsy voafetra intsony ny isan’ny mpijery amin’ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, afatsy ireo Distrika enina, dia ny eto Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Ambatondrazaka, ary Fianarantsoa I.

Tsy mihoatra ny 400 ny mpijery eto Antananarivo

Nilaza ny Minisitera, tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison, fa tsy maintsy manao arotava ireo mpijery fampisehoana rehetra. Ary ho an’ireo Distrika enina voatanisa tetsy ambony ireo, dia azo atao ny manao fampisehoana raha tsy mihoatra ny 400 ny mpijery, ary ireo efitrano na toerana mihidy fandraisana lanonana (espace) koa dia voafetra ho 400 ny isan’ny olona azo raisina. Araka ny fanazavana, dia efa afaka misokatra daholo koa ny toeram-pilanonana amin’ny alina rehetra manerana ny Nosy afatsy amin’ireo Distrika enina efa voalaza. Amin’ireto farany dia mbola tsy misokatra mihitsy ny toeram-pilanonana amin’ny alina, mbola mihatra rahateo koa ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina na “couvre-feu” manomboka amin’ny 12ora alina ka hatramin’ny 4ora maraina.

Raha tsiahivina, ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto rehetra no anisany nizaka ny voka-drasy nateraky ny valanaretina Covid-19 voalohany teto amintsika, hatramin’ny taon-dasa. Saika foana avokoa ireo fampisehoana rehetra fanao rehefa vanimpotoanan’ny fety. Betsaka, noho izany, ny fatiantoka azo vokatr’ireo fepetra ireo, ka antony nahatonga ny Fitondram-panjakana niroso tamin’ny fanomezana fahazoan-dalana ireo mpanakanto hanatanteraka fampisehoana ankalamanjana manomboka izao.

Fermer