Songadim-baovaoSosialy
MPIASAN’NY TVM AMBOVOMBE: Nandiso ny filazana fa nandrahona antsy ireo olona nohadihadiany
Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro hatramin’izao ny mahakasika ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety vahiny iray izay naneho fa mihinina hoditra fanaovana kapa ny mponina ao Androy noho ny Kere. Rehefa tena nanontanian’ny mpanao gazetin’ny TVM avy ao Ambovombe anefa ireo olona ireo, dia nitantara fa notambazan’ilay mpanao gazety vahiny vilany sy fitaovan-dakozia ary mofo ireo mba halaina sary hahandro ireo hoditra ireo. Ireo mponina rahateo tsy nanana ireo fitaovana notambazany ireo ka antony nahatonga azy ireo hanaiky ny fangatahan’ilay mpanao gazety vahiny.
Taorian’ny zava-niseho rehetra anefa, naneho ny hatezerany ny sefo fokontanin’i Berary, izay niandany tamin’ilay mpanao gazety vahiny. Vokany nandrahona sy nampitahotra ireo fianakaviana sahirana ireo ny tenany ny 27 Jona lasa teo. Nisy ny vavolombelona vitsivitsy nahita sy nahare izay nolazain’ny Sefo fokontany izay. Ankoatra izay, nanely vaovao sy horonantsary vaovao indray ilay mpanao gazety vahiny, izay nilaza fa norahonan’ireo mpanao gazetin’ny TVM tamin’ny antsy ireo mponina mba hanao fijoroana vavombelona hanenjika azy.
Araka izany, nanambara i Chrysler, mpanao gazetin’ny TVM ao Ambovombe nanao ny fanadihadiana fa fanontaniana tsotra no nataon’izy ireo tamin’ny olona tany an-toerana fa tsy nisy fanerena velively tamin’ny alalan’ny antsy, araka ny voizina. « Camera sy dictaphone ihany no entinay rehefa manao fanadihadiana izahay », hoy izy. Raha ny fanazavan’ity mpanao gazety ity dia teny an-dalana no nahandro ilay hoditra ireo olona tao anaty horonantsary naparitaka, izay manamarina ny maha namboamboarina ilay vaovao. Ankoatra izay, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny TVM ao Androy, Kalimahazo Mahatojo, dia tsy maintsy manaja ny fomban-tany sy ny rindran-damina ara-piarahamonina rehefa hidina an-tsehatra ny mpanao gazety fa tsy afaka ny hanao barofo.
Ny Fanoratana.



