Songadim-baovaoToekarena

FITRANDRAHANA ELADRANO : Hamafisina ny ady amin’ny fampiasana ankizy

Firenena manana ny lazany maneran-tany i Madagasikara amin’ny famokarana Eladrano na mica, saingy mbola olana mipetraka ny fampiasana ankizy ao anatin’ity sehatra ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Manoloana izany toe-javatra izany dia tsy mitazam-potsiny ny Fanjakana Malagasy fa manohy hatrany ny ezaka izay efa natomboka hatramin’ny taona 2020, no sady tafiditra ao anatin’ny drafitrasa iombonana na Plan d’actions conjointes. Efa maro araka izany ireo dingana sy hetsika niraisan’ny eo anivon’ny Governemanta. Ary tetsy ankilany, teo ireo mpiara-miombona antoka izay mitovy fijery sy miara-manatratra izany tanjona izany, dia ny ady amin’ny fampiasana ankizy eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana eladrano.

Nisy, araka izany, ny atrikasa izay notontosaina omaly nentina nanehoana ny vokatry ny fanadihadiana natao, ho fanisana ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana eladrano amin’ny Faritra Anosy sy Androy. Atrikasa izay tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika ho famongorana ny fampiasana ankizy eo amin’ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Hampidirina anatin’ny ara-dalàna

Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany, Randriamiharisoa Lalaina Hajanirina, dia anisan’ny tanjon’ny Ministera sy ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa tao anatin’ilay fanisana ny mpiantsehatra ny hamantarana mazava ny isan’ireo mpisehatra ara-dalàna na tsia eo amin’ny fitrandrahana eladrano, ny manodidina ny fampiasana ankizy sy ny anjara asa sahanin’izy ireo ao anatiny, ny fomba hampidirana ireo mpiantsehatra anatin’ny ara-dalàna, ny toerana ahitana ireo mpiantsehatra amin’ny fitrandrahana eladrano eto Madagasikara. Eo koa ny hahafahana mamaritra ny lalan’ny vokatra sy ny lalam-barotra, ny fiantraikan’ny fitrandrahana eo amin’ilay faritra voakasika sy ny tombontsoa ara-toekarena entin’izany, ny resaka hetra sy ny sisa. Tsara ho fantatra fa ny orinasa Andrianasolo Christophe no niandraikitra ny fanadihadiana sy ny fanangonana ny antontan-kevitra manodidina ireo rehetra ireo.

“Tongotra mby an-dakana izao hetsika iombonana izao ka tsy miverin-dalana intsony, nanomboka ny anjarany izao ny OIT ka nahatontosana izao fanisana ny mpisehatra izao. Isaorana lehibe azy ireo ny amin’izany, ary inoana fa mbola maro ireo hanaraka izany ohatra izany, ka samy hitondra ny anjara biriky amin’ity ady iombonana ity”, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany.

Fermer