PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA ANY ATSIMO : « Tsy voatery ho marina foana ny vaovao avoakan’ny mpanao Gazety vahiny »
Tsy miankina amin’ny maha mpanao gazety iraisampirenena na maha mpanao gazety eto an-toerana ny fananana ny marina amin’ny toe-java-misy iray. Ohatra iray azo raisina iny resabe mahakasika ny tranga iainan’ny mponina marina any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny izay niainga tamin’ny voalaza fa fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety vahiny iray. Nitondra ny fanehoan-keviny ny Talen’ny TVM mpisolo toerana manoloana ity adihevitra ity.
Raha tsiahivina, nisy ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety vahiny iray izay naneho fa mihinina hoditra fanaovana kapa ny mponina ao Androy noho ny Kere. Rehefa tena nanontanian’ny mpanao gazetin’ny TVM avy ao Ambovombe anefa ireo olona ireo, dia nitantara fa notambazan’ilay mpanao gazety vahiny vilany sy fitaovan-dakozia ary mofo izy ireo mba halaina sary hahandro ireo hoditra ireo. Ireo mponina rahateo tsy nanana ireo fitaovana notambazany ireo ka antony nahatonga azy ireo hanaiky ny fangatahan’ilay mpanao gazety vahiny. Taorian’ny zava-niseho rehetra anefa, nanely vaovao sy horonantsary vaovao indray ilay mpanao gazety vahiny, izay nilaza fa norahonan’ireo mpanao gazetin’ny TVM tamin’ny antsy ireo mponina mba hanao fijoroana vavombelona hanenjika azy. Araka izany, nanambara i Chrysler, mpanao gazetin’ny TVM ao Ambovombe nanao ny fanadihadiana fa fanontaniana tsotra no nataon’izy ireo tamin’ny olona tany an-toerana fa tsy nisy fanerena velively tamin’ny alalan’ny antsy, araka ny voizina. « Camera sy dictaphone ihany no entinay rehefa manao fanadihadiana izahay », hoy izy.
Misitraka drafi-pampandrosoana manokana ny any Atsimo
Teo anatrehan’izany rehetra izany, nilaza ny Talen’ny TVM mpisolo toerana, Nampoina Ranarivelo, fa tsy tokony hotakomana ao ambadiky ny fisian’ny Kere any Atsimo ny fahadisoana nataon’ity mpanao gazety vahiny ity. Samy manaiky ny rehetra, hoy izy, fa tena mafy ny zava-misy any Atsimo, ary tena mafy. Saingy efa maro koa ireo tetikasan’ny Fitondram-panjakana atao any Atsimo, izay sady misy vahaolana vonjimaika no misy vahaolana lavitr’ezaka. Ny fitsipahan’ny mpanao gazety eto an-toerana iny tranga iray nalefan’ny mpanao gazety vahiny iny dia tsy midika mihitsy akory ho fanaovan’ny Fitondram-panjakana tsinontsinona ny zava-misy any Atsimo. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity, fa ny Tapany Atsimon’i Madagasikara irery ihany hatreto no misitraka drafi-pampandrosoana manokana, dia ny “Plan Emergence Sud”. Tsy mbola misy misitraka izany ny any Avaratra, sy Atsinanana ary ny any Andrefana, hoy ny nambarany. Entina hilazana fa efa manao lohalaharana sy vaindohan-draharaha ny zava-misy any Atsimon’ny Nosy ny Fitondram-panjakana fa tsy minia mikipy akory.
Mila jerena anatina hodidina
Araka ity fanambaran’ny Talen’ny TVM mpisolo toerana ity, dia tsy tokony terena amina tranga iray ny zava-misy any Atsimo ankehitriny, fa mila jerena anaty hodidina iray manontolo. Mila jerena ireo tetikasa rehetra efa ataon’ny Fanjakana sy ny tsy miankina ary ireo mpiara-miombona antoka. Mila heverina koa ireo zava-misy ara-toetrandro izay nisy fiovany ho an’ny taona 2020 sy 2021. Mbola nohamafisin’ny sampana mpamantatra ny toetrandro izany, izay nilaza fa ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy ankehitriny no manana maripana farany ambony eto amintsika. Izany haintany izany no anisany mampanahirana ny lafiny fambolena sy ny ara-tsakafo any an-toerana, ary hiaraha-manaiky izany. Dikany, tokony haneho ny maha mpanao gazety matihanina azy marina ity mpanao gazety vahiny ity raha nanao iny fanadihadiana iny, amin’ny alalan’ny fijerena ireo singa marolafy ireo, fa tsy manao fijery tokana amina tranga iray ka entina hanenjehana ny mpitondra sy hanaratsiana endrika an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao.
Ny Fanoratana.


