PolitikaSongadim-baovao
FANOMEZANA AINA NY TOEKARENA MALAGASY: Laharam-pahamehana ny famoronana asa amin’ny fananganana fotodrafitrasa
Tao anatin’ny teny fampidirana nataon’Andriamatoa Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, nandritra ny Fihaonan’ny Governemanta sy Solombavambahoaka omaly teny Ivato no nilazany fa ho laharam-pahamehan’ny Fanjakana ny fanomezana aina ny toekarena Malagasy, amin'ny alalan'ny famoronana asa ateraky ny fampiasam-bolam-panjakana amin'ny fananganana fotodrafitrasa ilain'ny vahoaka.
Ny ady tamin’ny valanaretina coronavirus, ny fanohizana ny fanatsarana hatrany ny fitantanana, ny fametrahana sy famerenana ny filaminana sy fandriampahalemana, ary ireo fanamby natao hanomezana aina vao ny toekarena sy ny fotodrafitrasa famokarana isankarazany, teo koa ny sosialim-bahoaka, ireo no namintinan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ny nifotoran’ny asan’ny Fitondram-panjakana ny taona 2020. Betsaka ny dingana vita, hoy izy, tamin’ny fanatanterahana ny PGE, niainga tamin’ny Vinan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, izay mametraka mazava tsara fa « tsy misy asa izay entina hanovàna ny tantaran’ny firenena raha tsy misy ny fifandraisana mahomby eo amin’ny Andrimpanjakana misy ».
Izany no maha zava-dehibe ny fihaonana eo amin’ny Governemanta sy ny Depiote mba hahafahana mahalala ny tena maharary ny vahoaka, hoy izy, ka hanitsiana ny asa atao sy ny fomba fiasa indray manomboka izao. Araka ny nambaran’ny Praiminisitra, laharam-pahamehan’ny Fanjakana ankehitriny ny fanomezana aina ny toekarena Malagasy, amin’ny alalan’ny famoronana asa ateraky ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ny fananganana fotodrafitrasa samihafa ilain’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ny tontolo eny ambanivohitra. Tanjona ny hahatrarana ny harinkarena faobe hatramin’ny 4,3%. “Izay no mahatonga antsika hametraka ho laharam-pahamehana ihany koa ny haha maritoerana ny sandam-bola Malagasy, hahafahana mifehy ny mety ho vokatry ny fikorontanan’ny toekarena eran-tany eo amin’ny vidim-piainana izay tsy tokony hihoatra ny 6%”, hoy hatrany izy.
Fambolena, Rano, Fanabeazana, Fitsinjaram-pahefana,…
Tsikaritra nandritra ny fanontaniana sy fanamarihana nataon’ireo Depiote miisa 65 nandray fitenenana, ny mbola tokony hanamafisana ny fanaovana ireo fotodrafitrasam-pampandrosoana isaky ny Distrika. Ankoatra ny lafiny fitsinjaram-pahefana, ny fambolena, ny rano fisotro madio, anisan’ny naverimberin’ireo Depiote am-polony nandray fitenenana ny tokony hijerena manokana ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram, sy ny fananganana tranon-tsekoly any amin’ny ireo toerana ambanivohitra.
Araka ny andininy faha-102 ao amin’ny Lalàmpanorenana “Ny fomba ampiasain’ny Antenimiera ahafantarany ny asa sahanin’ny Governemanta dia ny fanontaniana am-bava, ny fanontaniana an-tsoratra, ny fanadinana hentitra ary ny fampiasana ny vaomiera mpanao famotorana…” Ho fanatanterahana io andininy io indrindra no nisian’ny Fihaonana teo amin’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara omaly. Niavaka ny fihaonana teo amin’ny roa tonga tamin’ity taona ity satria nozaraina roa ireo Depiote. 75 ireo nihaona tamin’ny Governemanta omaly, ary anio kosa ireo 75 ambiny no hifanatrika amin’ny Governemanta. Mandritra ireo roa andro ireo kosa anefa, azon’ireo Depiote tsy voafaritra hametraka fanontaniana atao ny manaraka mivantana ny fihaonana amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra.



