PolitikaSongadim-baovao

ADIHEVITRA MOMBA NY KERE : “Aza atao fitaovana politika ny zava-misy any Atsimo”, hoy ny Depioten’Amboasary Atsimo

Efa mandeha daholo  ny zavatra notenenin’ny Filoha ho famahana ny olan’ny Kere any Atsimo, hoy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Amboasary Atsimo, sady Mpampaka tenin’ny Antenimieram-pirenena, Angèle Solange. Velom-bolo ny vahoaka noho ny Fikaonan-doha izay natao tany Atsimo, hoy izy. Etsy ankilany, efa nilatsaka ny orana, ary efa miakatra ny voka-pambolena any an-toerana, toy ny Anana sy ny voatavo. Izany hoe, tsy mitovy tamin’ny zava-nisy tamin’ny 2020 ny zava-misy any an-toerana ankehitriny. Mipetraka koa ny fiarahamiasa amin’ny Governora any an-toerana sy ny Depioten’Amboasary Atsimo. Izany hoe, ankoatra ireo fanampiana entin’ny Governora, ny Fikambanana Fitia sy ny CCOK, dia mitondra ny anjara birikiny koa ity tomponandraikitra ity. “ Dikany, tsy mitombina ny filazana fa mbola misy olona tena tsy misakafo any Atsimo”, hoy ny fanazavany. Marina fa tsy mbola afaka ny Kere, saingy tsy mitovy tamin’ny zava-nisy tamin’ny herintaona intsony.

Fanalana baraka antsika

“Aoka tsy atao resaka politika ny zava-misy any Atsimo”, hoy ity olom-boafidy ity. Loza mitovy amin’ny loza voajanahary rehetra io noho ny fiovaovan’ny toetrandro fa tsy fahadisoan’ny mponina any Atsimo akory. Fotoana izay nanambarany fa olona mitady vola ho azy no manao fanelezana vaovao tahaka ny miely ankehitriny. “Atao fitaovana ny any Atsimo ho aderadera hitan’izao tontolo izao…”, hoy hatrany izy. Notsindriany fa matoa ilay olona nahandro hoditra dia nanambola hividianana kitay izy izany. “Ireny zavatra ireny tsy azo hohanina mihitsy noho izy mafy. Raha hoditra vao avy novonoina dia azo hohanina. Fa izy hoditra maina iny sady tsy misy tsirony no sady tsy mety masaka. Izany hoe, hevitra entina hanalana baraka antsika ireny mba hahazoana vola”, hoy hatrany ny fanazavana.

Efa miasa ny mponina

Mijery vahaolana maharitra ny Fitondram-panjakana, ary maha velom-bolo ny vahoaka izany. Efa vita ny 70%-n’ny toho-drano miisa efatra izay hanondraka tanimbary an’Hektara maro, hoy ny fanazavana. Dikany, tokony hidina ifotony marina hijery ny tena zava-misy ireo olona te hiresaka mahakasika ny any Atsimo. Fotoana izay nanambarany fa efa miakatra koa amin’izao fotoana ny trondro. Ary saika efa miasa avokoa ny olona any Atsimo. Efa misy ireo lava-drano nataon’ny Fanjakana hahafahana manondraka tanimboly.

Fermer