Songadim-baovaoSosialy
FITSABOANA NY CORONAVIRUS : 87,1% ny taham-pahombiazan’ny CVO + fitsaboana
Nahitana vokany ireo fanandramana natao tamin’ny CVO + hitsaboana ny tsimokaretina Coronavirus, izay novokarin’ny ozinina Pharmalagasy. Marary niisa 270 no nanaovana ny fanandramana, ka ireo nanana tranga “légère” sy “modéré” no nosafidiana. Nivoaka taorian’izany fa tafiakatra 87,1% ny taham-pahombiazan’ity voka-pikarohana malagasy ity amin’ny Fitsaboana ny Coronavirus.
Tsy mitsaha-mikaroka vahaolana ny Fanjakana entina hiadiana ny valanaretina Covid-19. Efa maro ireo ezaka sy famokarana natao ka nahitam-bokatra. Ny volana oktobra taona 2020 no nanomboka ny famokarana CVO plus nataon’ny orinasa Pharmalagasy izay niarahana niasa tamin’ny OMS. Nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, efa maro ny CVO plus naparitaka maneran’ny Nosy entina hiarovana ny vahoaka malagasy. Ankehitriny, mivoaka indray ny CVO plus curative, na natao hitsaboana, izay navoakan’ny Pharmalagasy ihany. Nisy ny fampahafantarana ny vokatry ny andrana klinika natao tamin’ity vokatra ity omaly. Nambara nandritra izany fa teo ambany fanarahamason’ny OMS sy ny INSTAT tanteraka ny fanandramana natao. Olona miisa 270 no nanaovana ny andrana ka nosafidina manokana ireo izay nanana tranga « légère » sy «modéré ». Nozaraina roa ireo olona nanaiky ny hatao andrana ka ny antsasany notsaboina tamin’ ny alalany CVO Plus fitsaboana. Hita ary voamarina ara-tsiantifika taorian’ny andrana natao fa nahitana fahasitranana haingana ireo izay nandray ny CVO Plus curatif mihoatra amin’ireo tsy nandray fa nisafidy fanafody hafa. Tao anatin’ny 14 andro dia 70% ny tahan’ny fahombiazana tamin’ireo olona nanaovana andrana. Ny 20 andro nanarahana ny fitsaboana dia voamarina fa efa sitrana avokoa ny hakamaroan’ireo narary nandalo fanandramana, ka nahazoana ny taham-pahombiazana ho 87,1%.
Tsy misy “effet secondaire”
Ny andrana ara-klinika izay natao dia teo ambany fanarahamason’ny OMS, niarahana tamin’ireo manam-pahaizana ara-tsiansa natao hiandraikitra izany. Narahana antsakany sy andavany ny fenitry ny fanovana andrana ara-klinika, ka nahazoana izao vokatra izao, raha ny fanazavana. Araka ny fanazavan’ny Profesora Rianasoambolanoro Rakotosaona izay nitarika ny fanaovana ity andrana klinika ity, dia tsy nisy nivadika « forme grave » fa tonga dia sitrana avokoa ireo narary nandray ny CVO Plus fitsaboana. Tsy nisy fiatraikany na « effet secondaire » tamin’ny voa, aty, fo ihany koa ny nampiasana azy. Marihina fa tsy nisy noterena ireo marary natao essai clinique ireo fa dia tena tamin’ny nahimpony avokoa, araka ny fanazavana hatrany.
Mila taratasim-panafody
Nomarihin’ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Pharmalagasy, Holijaona Raboana, fa ny Pharmalagasy no nanosika ny fanaovana ny andrana klinika. Tsy nijabaka tamin’ny raharaha anatin’ny fanandramana anefa ny Pharmalagasy na kely aza. Aorian’izao fanandramana natao izao, dia ny alalana omen’ny AMM indray no andrasana mialohan’ny hahafahana manjifa izany. Raha ny fanazavana hatrany dia mitaky taratasim-panafody avy amin’ny Dokotera ny fanjifana ity fanafody ity. Ary natao hojifain’ny Malagasy rehetra koa izany, ka noezahana ny hampirary ny vidiny.
Marina (Mpianatra asa) sy LR.


