PolitikaSongadim-baovao

FANENJEHANA NY GOVERNEMANTA: Nampiaka-peo teo anoloan’ireo Depiote ny Praiminisitra

Manoloana ireo fanakianana maro samihafa ataon’ny avy amin’ny Fanoherana sy ireo Depiote sasantsasany tsy miankina, ary misy koa miara-dalana amin’ny Fanjakana, dia nandon-databatra ny Praiminisitra Ntsay Christian teo anoloan’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara omaly nandritra ny andro faharoan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Nandritra io fandraisam-pitenenany io no niarovany ny Governemanta izay tarihiny, ary niarovany ihany koa ireo asa nataon’ny Governemanta hatramin’izay ka hatramin’izao. Fotoana ihany koa iny omaly iny namaliany ireo tsikera samihafa sy tetika hampiadiana azy amin’ny Filohan’ny Repoblika ataon’ny olona sasany. Notsindriany mazava tsara fa fandaniana andro ny fanaovana izany teti-dratsy izany, fa tsy hisy olana mihitsy eo aminy sy ny Filohan’ny Repoblika. Fifandrindrana asa, hoy izy, no atao, fa tsy misy fifandirana akory. Nahitsy ny tenany namaly ireo Depiote nilaza fa takona ny Praiminisitra noho ny fanangongona asa sy fahefana be loatra any amin’ny Filohan’ny Repoblika. Nambarany fa na ny fijoroany eo anoloan’ireo Depiote aza dia efa midika ny tsy maha takona azy. Farany, nanambara ny Praiminisitra fa misy filàmboatsiary ny an’ny Depiote sasany amin’ireo fitakiana laharam-pahamehana amin’ny asan’ny Governemanta. Noresahany manokana tamin’izany ny fisian’ireo Depiote milaza fa tsy ilaina ny Kianja manarapenitra, kanefa izy ireo ihany no nitaky ny nanamboarana izany tamin’ny taona 2019.

Fermer