PolitikaSongadim-baovao

VALANJAVABOARY AO AMIN’NY NOSY SAMBATRA : Fanaovana tsinontsinona ny antso nataon’ny Fanjakana Malagasy

Nisy ny fanambarana momba ny "Iles Eparses" Glorieuses (Nosy Sambatra) avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny omaly izay manameloka ny fanapahan-kevitra samirery nataon'i LaFrantsa tamin’ny fandraisana didim-panjakana mametraka valanjavaboary ao amin'ity Nosy malagasy ity.

Ny 10 Jona 2021 teo no namoahan’ny Governemanta frantsay ny didim-panjakana laharana faha-2021-734 tamin’ny Gazetim-panjakana frantsay, izay manangana valan-javaboary arovana ao amin’ny Nosy Sambatra (Glorieuses). Hotohin’ny fitsipahan’i Madagasikara io fanapahan-kevitra io, nisy ny fanambarana navoakan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy omaly. Nivoitra tao anatin’ity fanambarana ity fa napetraka ho laharam-pahamehana eto Madagasikara ny fiarovana ny tontolo iainana. « Anisan’ny fanamby lehibe nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny fikajiana ny harena voa-janahary tsy manam-paharoa izay ananan’ny Firenena« , hoy ny fanambarana. Raha tsiahivina dia efa notoherin’ny Fitondram-panjakana malagasy ny volavolan’ity didim-panjakana ity tamin’ny 18 Mey 2020, narahin’ny antso avo tamin’ny tompon’andraikitra ambony frantsay mba tsy handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra samirery mikasika ny Nosy Sambatra (Glorieuses), Nosy Nandalova (Juan de Nova), Nosy Ampela (Europa) na Nosy Bedimaky (Bassas Da India) mandritry ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta momba ireo Nosy ireo, saingy nataon’ny Frantsay bontolo ny fandraisana izany.

Tsy miova ny foto-kevitra ijoroana

Hatreto, tsy miova ny foto-kevitra ijoroan’ny Fanjakana malagasy manoloana ny didim panjakana navoakan’ny Governemanta frantsay ny 10 Jona 2021. « Sady fanaovana tsinontsinona ny antso nataon’ny fanjakana malagasy io fanapahan-kevitra samirery io, no mifanohitra amin’ny fanambarana iombonana navoaka tamin’ny fihaonana voalohany notanterahin’ny kaomisiôna iraisan’ny roa tonta ny 18 Novambra 2019« , hoy ny fanambarana. Raha tsiahivina, nifanarahana tamin’izany fa hotohizina amin’ny fo madio ny fifampiresahana hikatsahana vahaolana mikasika ireo Nosy ireo. Ny Fanjakana malagasy dia mampahatsiahy fa « ny fehin-kevitra laharana 34/91 noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana dia manambara fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo ary mandidy, noho izany, ny Governemanta frantsay : voalohany, hanaisotra ireo fepetra noraisiny izay manohintohina ny fiandrianam-pirenena malagasy ary, faharoa, tsy handray fepetra vaovao mety hanohintohina ny maha iray tsy anombinana ny tanin’ny Repoblika malagasy, izay mety hisy fiantraikany amin’ny fikarohana vahaolana ara-drariny amin’ny disadisa misy eo amin’i Madagasikara sy Frantsa mikasika ireo Nosy ireo« , hoy hatrany ny fanazavana.

Nohamafisin’ny Fanambaran’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny omaly fa ny Fitondram-panjakana malagasy dia manamafy ny tsy fankatoavany ny fihetsika samirery nataon’ny Governementa frantsay izay tsy mifanaraka amin’ny fifanekena nataon’ny roa tonta hikatsaka vahaolana amin’ny fomba mari-pototra sy anaty fifanajana eo amin’ny disadisa mikasika ny Nosy Sambatra, Nosy Nandalova, Nosy Ampela ary Nosy Bedimaky.

Fermer