Songadim-baovaoSosialy
ANTOBY ATSIMO AMBOHIDRATRIMO : Mponina manodidina ny 750 isan’andro hisitraka rano fisotro madio
Nanana fahasahiranana matetika teo amin’ny famatsiandrano ireo mponina ao amin’ny Fokontany Antoby Atsimo hatramin’izay, amin’ny maha avo toerana ny eny an-toerana. Eo anatrehan’izany, zary lasa manovo rano amin’ny vovo ireo mponina, izay misedra olana goavana rehefa fotoanan’ny hain-tany. Misy koa ireo maka rano eny an-tanimbary, izay mety hiteraka aretina.
Amin’izao fotoana, vita ny fotodrafitrasa fitarihana rano akarina amin’ny alalan’ny paompy ao amin’ny Fokontany Antoby Atsimo, Distrikan’Ambohitratrimo, ao amin’ny Faritra Analamanga. Ireo fotodrafitrasa ireo dia natao hamaliana ireo filan’ny mponina miisa 750 isan’andro eo amin’ny rano 30 metatra toratelo, toy ny mpianatra ao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra ao amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza.
Ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana, ny MADAHILFE sy ny Rotary, dia niroso tamin’ny fiarahamiasa entina mitondra vahaolana maharitra sy misy kalitao, tamin’ny famatsiandrano fisotro madio ho an’ny Fokontany Antoby Atsimo. Fotodrafitrasa mitahiry rano avy any ambanin’ny tany amin’ny alalan’ny lavadrano no tafapetraka, izay ahitana paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, toerana teknika, fitahirizan-drano eo amin’ny 20 metatra kioba, fantsona fitarihan-drano, « kiosques » famatsiandrano miisa 07, ary toeram-panasan-damba amin’ny toerana enina. Ny Sekoly Fanabeazana Fototra ao Antoby Atsimo dia hisitraka izany fotodrafitrasa izany, izay afaka mamatsy rano amin’ny olona aman’arivo.
Fitaovana fanasana tanana
Tonga nitokana izao fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio ao ami’ny Fokotany Antoby Atsimo izao, Ramatoa Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana ny 03 jolay. Tao anatin’izao fitokanana izao no nanamafisany ny tanjona hanatsarana ny fahazoan-drano fisotro madio, ary nanindriany mafy ny tokony hiarovana ireo fotodrafitrasa, izay fananana iombonan’ny vondron’olona ifotony. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no niantsoan’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny rano, fanadiovana sy fidiovana, sy ny fiarahamonina hanamafy ny fiaraha-miasa ho entina mampaharitra ireo fotodrafitrasa rano fisotro madio.
Ho fampiroboroboana ny fampiharana ireo fihetsika mahomby ny fidiovana ao amin’ny fokontany Antoby Atsimo dia nanolotra fitaovana fanasana tanana amin’ny rano sy savony ihany koa Ramatoa Minisitra.




