
Songadim-baovao
DGSR ao Fianarantsoa : Tafapetraka ny fitaovana arifomba iadiana amin’ny hosoka
Taorian’ny fametrahana ny fitaovana arifomba manaraka ny teknolojia vaovao nataon’ny DGSR, tany Mahajanga, dia notanterahina tao Fianarantsoa izany, omaly hariva. Hoenti-misoroka ny fampiasana hosoka, hiadiana amin'ny halatra fiara sy manampy amin'ny fanadihadiana momba ireo fiara nampiasaina tamin'ny asan-jiolahy samihafa, ity fitaovana arifomba ity.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) amin’ny fametrahana fitaovana arifomba manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ho an’ ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia. Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy omaly hariva, tao amin’ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia Fianarantsoa, teo anatrehan’ireo manampahefana sivily sy miaramila isan-tsokajiny, tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny fanolorana ny fitaovana vaovao fanontana ny takelaby famantarana manokana ny fiara iray na ny « appareil duplicateur informatisé de plaque châssis » ho an’ity Ivon-toerana fitsarana fiarakodia ity. Arifomba tokoa ny fitaovana satria manaraka ny teknolojia maoderina ho enti-misoroka ny fampiasana hosoka, hiadiana amin’ny halatra fiara sy manampy amin’ny fanadihadiana momba ireo fiara nampiasaina tamin’ny asan-jiolahy samihafa. Ny Ivon-toerana miorina amin’ireo renivohi-paritany enina no natao laharam-pahamehana amin’ny fametrahana ity fitaovana ity. Efa nametrahana izany ny Ivon-toerana fandraisana ara-teknika Alasora/Antananarivo, ny Ivon-toerana ao Toamasina sy Antsiranana ary i Mahajanga. Hotanterahina aorian’ny eto Fianarantsoa ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny anjaran’ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia any Toliary.
Hialana amin’ny gaboraraka…

Marihina fa ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) amin’ny alalan’ireo Ivon-toerana misandrahaka manerana ny Nosy ihany no voafaritry ny lalàna ho afaka manolo sy manao ny fanontana ny « plaque châssis », aorian’ny fanamarinana ny fahaverezany, ny fahasimbany, na ny faniriana hanavao. Nohararaotin’ny Jly Nicolas Tsirivelo, Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia koa ity fotoana ity, mba hampahafantarana ireo ezaka samihafa notanterahin’ny Foibe fitsarana fiarakodia. Tafiditra ao ny fanatsarana ny fomba fiasa toy ny fialàna amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly amin’ny endriny samihafa; eo koa ny ady atao amin’ny hosoka sy fampiasana hosoka. Ny fampitomboana ny fitsirihana tampoka eny an-dalambe na « contrôle inopiné » ho fampanarahan-dalàna ireo fiara, mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika; ny fanenjehana ireo fiara mamoaka setroka tafahoatra mitarika fahasimban’ny tontolo iainana. Ny fanokafana Ivon-toerana ho fanakaikezana ny mpanjifa, toy ny tany Ambositra, Nosibe sy ny maro hafa, no isan’ny vahaolana mahomby. Nanentana ny rehetra koa izy, amin’ny fampitana vaovao mahakasika ireo fiara, efa tsy tokony hifamezivezy eny amin’ny arabe, noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika hita maso miharihary, ratsy endrika ivelany, mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.




