PolitikaSongadim-baovao

FITSINJARAM-PAHEFANA SY FAMPANDROSOANA : Hatsaraina sy hafainganina ny fomba fiasan’ireo Governoram-paritra

Notontosaina omaly 9 jolay 2021 teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fivoriana niarahan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina niaraka tamin'ireo Governoram-paritra miisa 21. Noresahana nandritra izany ny tombana sy jery todik'ireo asa fampandrosoana napetraka manerana ny faritra rehetra sy ireo tokony mbola hatsaraina hahatratrarana ireo fanamby napetraka ao anaty fohy ezaka sy lavitra ezaka.

« Ny tena anton’izao fihaonana izao dia ny hiarahana mijery ny fomba hanafainganana ny fanatanterahana ireo asa rehetra manerana ireo Faritra izay hiarahan’ireo Governora manatanteraka miaraka amin’ireo vondrom-bahoaka eny ifotony » hoy ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fihaonana tamin’ireo Governora avy amin’ny Faritra 21 omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ho fampiharana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana apetraky ny Fitondram-panjakana dia noresahana nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fomba hanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra any ifotony, na olom-boatendry na olom-boafidy, mba hampahomby ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana. Ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia miainga avy amin’ny fampandrosoana ny Faritra tsirairay avy, ary tsy hisy intsony ny distrika ho adino.

Antony niantsoan’ny Filoha ireo Governoram-paritra ihany koa ny famaritana ireo fomba fiasa mila hatsaraina. Baikon’ny Filoha amin’izany ny fanaovana asa haingana isam-paritra. Lamina napetraky ny Filoha ihany koa ny fifandraisana mivantana amin’ny ambaratongan’ny Vondrombahoaka hitsinjaram-pahefana sy ny Governora hahafahana manatratra ny fampandrosoana any ifotony. Voakasik’izany fampandrosoana ifotony izany ny Fahasalamana, ny fandriampahalemana sy ny fotodrafitrasa manaikaiky ny vahoaka rehetra. Asa fampandrosoana takian’ny Filoha amin’ny Governora ihany koa ny fanamboarana ny lalana pavé, ny fanaovana tsena eny amin’ny Kaominina ary ny fanaovana ny toho-drano ho an’ny famokarana.

Tetibolan’ny Faritra…

Fihaonana ihany koa iny omaly iny nihainoan’ny Filoha ny tatitry ny asam-pampandrosoana izay napetraka sy tokony ho tanterahina haingana any amin’ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara ho an’ny enim-bolana voalohany. Anton’ny fihaonana koa ny fametrahana tanjona iraisana ho fanatrarana an’i Madagasikara mandroso. « Miankina amin’ny fandrosoan’ny isam-paritra ny fandrosoan’ny firenena iray manontolo », araka ny toromariky ny Filoha. Nanamafy ny Filoha fa tsy maintsy hapetraka amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela ny faritra faha-23 izay efa noraisina teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra ary nahazo ny fankatoavana sy ny fandaniana teo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona.

Nisolon-tena nandray ny fitenenana tamin’ny Governora, ny avy eto Analamanga Hery Rasoamaromaka. Nitondra ny sosokevitra entina hanatsarana ny fomba fiasan’ny Faritra ny tenany. Ka isany voaresaka tamin’izany ny hijerena ny tetibolan’ny Faritra. “Misy ny tetibola 2 miliara ar avy amin’ny Fanjakana omena Mivantana ny faritra”, araka ny tatitry ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tianarivelo Razafimahefa. Ampy sy ahafahana manatanteraka ny asa eny amin’ny Faritra ny tetibola amin’ny alalan’ny fahaizana mitantana izany, hoy izy. Efa misy ihany koa manampy izany ny fitaovana manarapenitra fanamboarandalana avy amin’ny Filoha hahafahana manao ny lalana isamparitra.

Fermer