PolitikaSongadim-baovao
LALANA MOMBA NY TANY TSY VITA TITRA: Tsy mamela ny Fanjakana haka ny tanin’ny tantsaha araka ny voizina
Nisy ny fanazavana nentin’ny Loholon’i madagasikara Ramatoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa mikasika ilay lalana laharana faha 2021-016 mikasika ny fananan-tany. Ny tenany izay nandiso ireo resabe voizina mahakasika ity lalàna vaovao ity, ary notsindriany fa tsy mikasa velively haka ny tanin’ny tantsaha ny Fanjakana.
Manoloana ny resabe voizin’ny andian’olona sasantsasany amin’ny haino aman- jery, mikasika ny filazana fa ho alain’ny fanjakana ny tanin’ny tantsaha eny ambanivohitra, dia nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Loholon’i Madagasikara Ramatoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa omaly Alatsinainy faha 12 jolay 2021 tetsy amin’ny Lapa maitson’ Anosikely. Tamin’izany no nanambarany fa nisy ny fandaniana teo anivon’ny Antenimierandoholona ny lalàna faha 2021-016 izay nanova ny lalàna 2006-031 mikasika ny fananan-tany, dia ireo tany tsy vita “titre” sy tsy vita” borne” nefa nisy fanamaintisa-molaly. Maro, hoy izy, ny resaka novoizina ka miteraka ahiahy sy fikorontan-tsaina, ka ilàna fanazavana.
Raha tsiahivina, anisan’ny notakian’ireo voalaza fa vondron’ny tantsaha nanao fanambarana, “ny tsy hanozongozonana ny fotokevitra miorina eo ambonin’ny fiheverana fa tompony ireo mipetraka amin’ny tany mbola tsy vita titra; sy ny fanomezana fahefana ny eny ifotony (dia ny andraikitry ny Ben’ny tanàna, ny Raiamandreny, ny fiarahamonina,…) amin’ny fitantanana ny tany izay mihatra amin’ny alalan’ny Birao Ifoton’ny Fananantany (BIF)”.
Nanajary ny tany 15 taona no ho miakatra
Nanazava, araka izany, ny Loholona Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa fa io lalàna io dia mitondra fanovàna lehibe amin’ny lafiny fanananan-tany, ary tsy mivoana amin’ny teo aloha ny votoatin’ ny làlana vaovao na dia eo ary ny fepetra vaovao. Notsindriny fa tsy mbola misy andininy ao amin’io lalàna vaovao io mamela ny fanjakana haka ny tanin’ny tantsaha. Ny tanjona, hoy izy, dia ny mba ahafahan’ilay olona nanamainti-molaly ny tany hahazo taratasy ara-dalàna sy kara-tany ahafahany misitraka izany tany izany. Antoka ho azy, rahateo izany, amin’ny ho avy izany.
Ny fangatahana ny tany dia voatokana ho an’ny teratany Malagasy ihany, hoy hatrany izy, ary olon-tsotra izay nanajary ny tany 15 taona no ho miakatra ihany no afaka manao ny fangatahana. Ny lalàna, hoy izy, dia natao mba hahamari-toerana ny zon’ny tsirairay sy mba hiarovana azy ireo amin’ny lafiny fanajariana ny tany, noho izany dia nanentana ny olom-pirenena tsirairay avy izy mba hanantona ireo “guichet Foncier” eny anivon’ny kaominina izay misy azy mba hijery ny andinindinin’izany fangatahana izany, mba tsy hisian’ny fanakorontanan-tsaina ataon’ny sasany.




