Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HAINTRANO TETSY MAHAMASINA : Trano misy rihana roa kilan’ny afo, lehilahy iray namoy ny ainy

Nisesisesy ny firehetanana teto andrenivohitra omaly nanomboka vao maraimbe hatramin’ny atoandro. Isan’izany ny niseho tetsy Mahamasina akaiky ny Hopitaly Befelatanana. Ho an’ity farany manokana, nisy ny aina nafoy ankoatran’ny fahamaizana …

Lehilahy iray no maty may kilan’ny afo vokatry ny fahamaizan’ny trano misy rihana roa etsy ampitan’ny Hopitaly Befelatanana Mahamasina Atsimo omaly tokony ho tamin’ny 11ora atoandro. Tsy afaka nivoaka tao amin’ilay trano ity lehilahy ity mandritra ny fahamaizan’ny trano ka izao niafara tamin’ny famoizana aina izao, raha ny fanazavan’ireo mpamonjy voina. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny fahamaizana fa raha ny fitantaran’ny manodidina dia nisy zavatra nipoaka tao an-trano, izay tombanan’ny rehetra ho vatana “gaz” ka niteraka ny voina. Tamin’ny 1ora sy sasany tolak’andro teo ho eo no voafehy tanteraka ny afo.

Haintrano roa hafa

Tetsy ankilany, ny maraimben’ny omaly koa, teny Soamandrakizay, garazy iray no nirehitra. Raha ny angom-baovao dia nisy fiara 6 may tao. Niezaka namono ny afo ny mpiambina, saingy rehefa tsy vitany vao niantso mpamonjy voina izy. Tamin’ny 6 ora maraina vao maty tanteraka ny afo. Tsy nisy naratra sy maty fa ireo fiara no hotohoton’ny afo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny firehetana. Ankoatra ireo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10ora indray dia nisy trano nirehitra teny  Ambaninampamarinana. Tsy fantatra mazava ihany koa ny niandohan’ny afo fa ny trano iray efa nirehitra no nanaitra ny maro. Araka ny angom-baovao, nisy mpamonjy voina nikapa hazo atahorana hampidi-doza amin’ny fahavaratra teny an-toerana, ka izy ireo no namono avy hatrany ny afo.

Fermer