Songadim-baovaoSosialy
FIDIOVANA: Sekoly maherin’ny 19 000 hisitraka fitaovana fanasana tanana
Ho fampiroboroboana ny fisitrahana rano, fanadiovana sy fidiovana eny anivon’ireo toeram-pianarana, ary koa ho fanamafisana ny ady amin’ny Covid-19, sekolim-panjakana maherin’ny 19 000 no hisitraka fitaovana fanasana tanana, vokatry ny tohana fanampiny avy amin’ny fiarahamiasa eran-tany momba ny fanabeazana eo anivon’ny Banky Iraisampirenena. Ankizy miisa 3 750 000 no hisitraka mivantana ity fitaovana ity.
Sekolim-panjakana avy amin’ny Faritra miisa 10 no hatao lohalaharana, indrindra ireo renivohitry ny distrika izay ahitana mponina betsaka. Tsara ho fantatra fa mahazaka rano hatramin’ny 60 metatra³ ity fitaovana fanasana tanana ity, izay nampiarahina tamin’ny savony iray baoritra. Tetsy ankilany, notolorana peta-drindrina mirakitra kisary sy soratra fanentanana ihany koa ireo mpampianatra mba hapetraka eny anivon’ireo sekoly ho torolalana ho an’ny mpianatra amin’ireo fihetsika ara-pahasalamana rehetra tokony hatao. Fari-piadidiam-pampianarana miisa 114, noho izany, no hahazo anjara amin’izany, ka miisa 1 700 ireo Epp, 1 600 Ceg, ary manodidina ny 360 ireo Lisea.
Misoroka ny areti-mifindra
Notontosaina omaly 13 Jolay 2021 tetsy amin’ny EPP Bernard Canut Faravohitra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fanomezana ireo. Fotoana izay nahitana ny avy amin’ny Minisiteran’ny Rano fidiovana sy fanadiovana, ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ary ny Unicef. Nambaran’ny Minisitry ny Rano, Voahary Rakotovelomanantsoa, fa izao fanomezana izao dia tafiditra ao anatin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19. Ary koa, tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Minisiteran’ny Rano ho fampiroboroboana ny fahazarana manasa tanana amin’ny rano sy savony ary ny fidiovana amin’ny ankapobeny. Tetsy ankilany, ny solontena maharitry ny Unicef eto amintsika, Michel Saint-lot dia nanipika mazava tsara fa ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony dia antoka mahomby iray ho fisorohana ireo areti-mifindra isankarazany, fa tsy ny Coronavirus ihany. Amin’ny alalan’izao fanomezana izao, ny fiarahamiasa erantany ho an’ny fanabeazana dia manome lanja ny fahasalaman’ny mpianatra, sy ny mpampianatra ary ireo mpiasa eny anivon’ny sekoly rehetra.




