PolitikaSongadim-baovao

AFRIKA TAORIAN’NY COVID-19: Hofaritana anio any Abdijan ireo sehatra mila famatsiam-bola maika

Filoham-pirenena Afrikanina miisa 14 no hanatrika ilay fihaonambe faha 20 atao any Abidjan anio. Handray anjara feno amin’izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay efa nanainga teto an-tanindrazana omaly 14 Jolay 2021. Isan’ny tanjon’ity fihaonana ity ny hamaritana ireo sehatra laharam-pahamehana sy mila famatsiam-bola maika aty amin’ireo Firenena afrikanina.

Tanterahina anio ao Abidjan – Côte d’Ivoire ny fihaonambe faha 20 izay eo ambany fiahian’ny Filoha   Alassane Quattara iarahana amin’ireo  Filoham-pirenena sy Mpitondra fanjakana afrikanina eo anivon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana na « (International Development Association » (IDA 20). Miisa 14 ireo Filoham-pirenena voakasik’izany, ahitana an’i Patrice Talon (Benin), Roch Marc Christian Kaboré(Burkina-Faso), Sahle-Work Zewde(Ethiopie), Alpha Condé(Guinée), Umaro Sissoco Embalo(Guinée Bissau), George Weah(Liberia), Andry Rajoelina(Madagasikara),Mohamed Ould El-Ghazouan(Mauritanie),Filipe Niusy(Mozambique), Mohamed Bazoum(Niger), Paul Kagamé(Rwanda),Macky Sall(Sénegal), Abdallah Hamdok(Soudan)ary Faure Gnassingbé(Togo).

Ny IDA dia ratsamangaikan’ny vondron’ny Banky Iraisam-pirenena, izay efa mpiara-dia amin’ny firenena Malagasy ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fiahiana ara-tsosialy, ny sehatry ny fizahantany, ny agrobusiness ary ny toekarena miankina amin’ny haitao ara-kajy mirindra.

Hifampizara traikefa

Ny hamaritra ireo sehatra laharam-pahamehana mila famatsiam-bola maika aty Afrika,sy hametraka politikam-pamatsiam-bola tsara rafitra ho famerenana indray ny IDA 20, ary ho fanohanana ny fiarenan-dohan’ireo firenena afrikanina eo amin’ny lafiny tontolo iainana sy taorian’ny Covid-19 no tanjon’ity fihaonambe ity. Mandritra ity fihaonambe izay tanterahina ao Abidjan ity dia hitondra fanehoan-kevitra ny amin’ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 teo amin’ny fireneny avy ireto mpitondra fanjakana afrikanina ireto ary hifampizara ihany koa ireo traikefa tamin’ny fampiasana mahomby ireo famatsiana azo avy amin’ny IDA. Fotoana ihany koa ity fihaonambe ity hahafahana mamaritra ireo sehatra  laharam-pahamehana hitondrana fanovana iraisana ka hanamafisana indray  ny fiarenan-dohan’i Afrika aorian’ny Covid-19.

Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no hisolo tena an’i Madagasikara any an-toerana izay efa nanainga teto an-tanindrazana omaly alarobia 14 jolay 2021. Tsara ho fantatra fa ny Fitondram-panjakana Malagasy ankehitriny no anisan’ny nahazo famatsiam-bola betsaka indrindra avy amin’ny vondron’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny IDA, vokatry ny fananana tetikasam-pampandrosoana maty paika sy ny fitokisan’ny Banky Iraisam-pirenena. Nitombo avo telo heny izany tamin’ity taona 2021 ity ka nahatratra hatramin’ny 1 miliara dolara raha toa ka manodidina ny 200 hatramin’ny 300 tapitrisa dolara izany isan-taona. Marihina fa ity no fivoahana ofisialy voalohany nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niala an’i Madagasikara ho an’ity taona 2021 ity.

Marina (Mpianatra asa) 

 

Fermer