Trangam-piaraha-monina

JIOLAHY TRATRA TENY AMBATOBE: Nanendaka sy nikasi-tanana olona roa

Renim-pianakaviana iray avy naka vola teo amin’ny GAB-n’ny banky teny Ambatobe, no niharan’ny fanendahana niaro herisetra nataona lehilahy mpanao asa ratsy iray. Lehilahy iray hafa koa no nanaovan’ity farany herisetra, raha teo am-pamonjena io vehivavy io.

Tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany teo no nitrangan’ny fanendahana ity Renim-pianakaviana iray teny Ambatobe, akaikin’ny banky BFV. Raha nivoaka avy naka vola teo amin’ny GAB iny izy, no nisy lehilahy iray sahabo 30 taona nanakana sy nanao sinto-mahery ny poketra teny am-bozonany. Niezaka ny nanakana ity jiolahy efa teny ambony moto saika handositra, ilay Ramatoa, no voavely mafy teo amin’ny lohany ka tsy nahasakana azy. Nahatazana izany rehetra izany ny lehilahy iray tsy lavitra teo, ka nanampy avy hatrany ity niharan’ny asa ratsy niaro herisetra.

Toy izao ny fitaovam-piadiana fampiasan’ireo olon-dratsy mpanao fanendahana. (Sary : Polisim-pirenena)

Namaly hatrany, anefa, ity olon-dratsy ka voavely teo amin’ny tratrany koa ilay tsara sitra-po. Rehefa nahita izany ny olona teo amin’ny manodidina dia nanampy nisambotra sy nitazona ilay olon-dratsy. Nisy tamin’izy ireo no nandray andraikitra niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany, ka ny Polisy avy amin’ny boriborintany fahavalo ao Analamahitsy, no tonga teny an-toerana fotoana vitsy taorian’izay. Nentin’izy ireo avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Kaomisaria ity jiolahy tra-tehaky ny fokonolona, nanaovana fanadihadiana. Nogiazana nanaraka izany koa ilay moto nentiny saika nitsoahany taorian’io asa ratsiny io, niampy ireo fitaovana rehetra teny aminy toy ny kitapo, saron-tava, taratasy mirakitra ny mombamomba azy sy ny findainy, ary zava-maranitra fampiasany amin’ny asa ratsy toy izao. Nametraka fitoriana avy hatrany ity Renim-pianakaviana niharan’ny tsy an-drariny, ary nentina namonjy hopitaly hahazo fitsaboana tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha, ilay lehilahy naratra noho ny daroka nanjo azy.

Fermer