PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FIARENAN-DOHA TAORIAN’NY COVID-19: Nahazo 1,1 miliara dolara avy amin’ny IDA20 ny Fanjakana malagasy

Voaporofo indray ny mbola fatokisan’ny mpamatsy vola sy ny sehatra iraisampirenena ny Fanjakana malagasy taorian’ny fahazoan’i Madagasikara fanampiana hatrany amin’ny 1 miliara sy 100 tapitrisa dolara, ao amin’ny vondron’ny banky iraisampirenena, amin’ny alalan’ny IDA amin’ity taona 2021 ity. Famatsiam-bola izay tafiditra ao anatin’ny drafitra ho fiarenan-doha taorian’ny krizy ara-pahasalamana vokatry ny Covid-19.

Nitombo avo telo heny ny famatsiam-bola azon’ny Fanjakana malagasy ao amin’ny vondron’ny banky iraisampirenena, amin’ny alalan’ny IDA amin’ity taona 2021 ity. Mahatratra 1 miliara sy 100 tapitrisa dolara izany, raha toa ka nanodidina ny 300 tapitrisa dolara hatrany izany isan-taona. Araka ny fampitam-baovao, anton’io fampiakarana ny famatsiambola io ny fananan’i Madagasikara tetikasam-pampandrosoana maty paika sy ny fatokisan’ny banky iraisampirenena antsika.

Tsara ho fantatra fa tetikasa maro no efa hiarahan’I Madagasikara miasa amin’ny IDA ao anatin’ny vondron’ny Banky iraisampirenena. Ao anatin’izany ny fananganana efitranon-tsekoly, amin’ny alalan’ny tetikasa PAUET. Eo koa ny tetikasa fiavota atao any Atsimo ary ny fiatrehana ny covid-19. Mbola maro anefa ireo tetikasam-pampandrosoana ananan’i Madagasikara, antony andraisana anjara amin’izao fihaonana izao. Tafiditra ao anatin’izany ireo voarakitra ao anatin’ny PEM.

Samy nandroso ireo tetikasam-pampandrosoany

Maro ireo hevitra nivoitra nandritra ny fihaonambe faha 20 notanterahina tao Abidjan omaly, niarahana tamin’ny Filoha Alassane Quattara sy ireo  Filoham-pirenena sy Mpitondra fanjakana afrikanina eo anivon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana na « (International Development Association » (IDA 20), ka isan’izany ity famatsiam-bola azontsika ity. Nisy ny adihevitra natao. Samy nandroso ireo tetikasam-pampandrosoany ireo firenena afrikanina. Afrika izay tena niharan’ny voka-dratsin’ny Covid-19 teo amin’ny lafiny toekarena. “Tato anatin’ny 2 taona, niampy 25 ka hatramin’ny 30 tapitrisa ny isan’ireo very asa. Hatrany amin’ny 40 Tapitrisa ireo olona miaina anaty fahantrana lalina, anarivony ireo sekoly nakatona”, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Vondrona Afrikanina, Moussa Faki Mahamat. Tamin’ny ankapobeny, afaka nametraka programa fanarenana ny toekareny ireo firenena matanjaka, ary nandany anarivony tapitrisa dolara mihitsy tamin’izany. Ireo firenena afrikanina kosa tsy afa-mihetsika toy izany noho ny rafitra ara-toekarena ananany. Izany no antony ilàna maika ny fanampian’ny vondron’ny mpamatsy vola sy ny maha zava-dehibe ny fihaonana tahaka izao.

Fananana vinam-pampandrosoana

Tsindriana hatrany fa ny hamaritra ireo sehatra laharam-pahamehana mila famatsiam-bola maika aty Afrika,sy hametraka politikam-pamatsiam-bola tsara rafitra ho famerenana indray ny IDA 20, ary ho fanohanana ny fiarenan-dohan’ireo firenena afrikanina eo amin’ny lafiny tontolo iainana sy taorian’ny Covid-19 no tanjon’ity fihaonambe ity. Nandritra ity fihaonambe tao Abidjan ity koa dia samy nitondra fanehoan-kevitra ny amin’ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 teo amin’ny fireneny avy ireto mpitondra fanjakana afrikanina ireto ary nifampizara traikefa ihany koa tamin’ny fampiasana mahomby ireo famatsiana azo avy amin’ny IDA. Fotoana ihany koa ity fihaonambe ity nahafahana namaritra ireo sehatra  laharam-pahamehana nitondrana fanovana iraisana ka hanamafisana indray  ny fiarenan-dohan’i Afrika aorian’ny Covid-19.

Voaporofo indray, araka izany, tamin’ny alalan’ity fihaonana ity fa mbola manana ny toerany i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ity famatsiam-bola vaovao ho azontsika ity izay manamarina indray ny fahaiza-mitantana sy ny fangaraharana amin’ny fitantanana efa nananan’ny Mpitondra nanomboka ny taona 2019, fa indrindra koa, ny fananana vinam-pampandrosoana maty paika, ka maharesy lahatra eo firenena mpiara-miasa sy ireo mpamatsy vola.

Ny Fanoratana.

Fermer