Songadim-baovaoToekarena
SEHA-PIHARIANA VOLAMENA : Nifanakalo traikefa tamin’ny Mpitondra Ivoariana ny Fanjakana malagasy
Ny taona 2014 dia voafidy ho Firenena manana ny lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny tany tena tsara ampiasam-bola i Côte d’Ivoire. Ary nanomboka tamin’izay dia maro ny mpitrandraka vaventy misehatra amin’ny volamena no tonga tao Côte d’Ivoire, nahatonga ny famokarana volamena tao an-toerana niroborobo tao anatin’ny fotoana fohy. Raha toa tokoa mantsy ka 5 taonina monja ny volamena azo tao an-toerana ny taona 2010, tafakatra 37 taonina izany ny taona 2020. Araka izany, nandritra ny iraka ofisialy tany Abidjan – Côte d’Ivoire notanterahan’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Andriamatoa Ravokatra Fidiniavo ny herinandro lasa teo, nisy ny fihaonana tamin’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany ivoariana sy ireo mpiara-miasa aminy, ireo orinasam-panjakana miandraikitra ny pétrole sy misahana ny harena an-kibon’ny tany any an-toerana. Fotoana izay nahafahana nijery ny fomba fitantanan’ny Fanjakana ivoariana ireo Harena an-kibon’ny tany sy ny volamena ananany.
Fihaonana tamin’ny mpandraharaha
Tetsy ankilany anefa, nisy koa fihaonana niarahan’ny Ministra Ravokatra Fidiniavo tamin’ireo mpitantana kaompania iraisam-pirenena efatra lehibe miasa ao Côte d’Ivoire. Tanjon’ny fihaonana ny mba hahafantarana ny antony nahasarika ireto mpandraharaha tsy miankina vahiny ireto nampiasa ny volany ao Côte d’Ivoire, ny endriky ny fiarahamiasan’izy ireo amin’ny Fanjakana ivoariana ary ny fepetra ara-teknika samihafa takiany. Fantatra fa ao anatin’ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny andaniny sy ny ankilany no anatanterahan’ireto kaompania lehibe ireto ny fiaraha-miasa, dia ho an’ny fampiasam-bolan’izy ireo sy ho an’ny firenena ivoarianina. «Nanankarena ny fifanakalozana ary nahaliana azy ireo ny sehatra harena an-kibon’ny tany indrindra fa ny volamena eto Madagasikara” hoy ny Minisitra Ravokatra Fidiniavo.
Nampiavaka ity iraka ofisialy tanterahan’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika malagasy tao Côte d’Ivoire ity ihany koa ny fitsidihany ny “Mines d’Ity” izay toera-pitrandrahana volamena lehibe sy tranainy indrindra any an-toerana. Ity fitsidihana ity indray dia nahafahana nijery ny endriky ny fitantanana, ny fitrandrahana ara-teknika sy ny ozinina manadio sy manova ny volamena ho azo ampidirina eo amin’ny tsena iraisampirenena.




