Songadim-baovaoSosialy

FAMATSIAN-DRANO ETO ANTANANARIVO: Vita ny 80%-n’ny fametrahana ny Mandroseza II

Vahaolana maharitra amin’ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny nametrahana ny Toby famokarana rano vaovao izay hanampy an’I Mandroseza teo aloha. Raha fanazavana dia efa vita hatrany amin’ny 80% ny fametrahana ity Mandroseza II ity amin’izao, izay hamokatra 40 000m³. Nisy ny fidinana ifotony nijerena ny fizotry ny asa, ny alatsinainy teo.

Hamokatra 40.000 m³ ny toby famokarana rano fisotro madio ao Mandroseza II, hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio ny tanànan’Antananarivo sy ny kaominina manodidina. Eo amin’ny lafiny teknika, dia tsy maintsy ho ampidirina tsikelikely ao amin’ny tambajotran’ny Jirama izay mitsinjara ny rano ankehitriny izany vokatra izany, ka mbola hisy fahatapahan-drano mandritra ny fizotran’ny asa. Mandroso tsara ny asa fanitarana izany toby famokarana rano fisotro madio izany, ka efa 80 isan-jaton’ny asa no vita ankehitriny. Tonga teny an-toerana nijery ny fivoaran’ny asa ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana, ary ny Fidiovana, Voahary Rakotovelomanantsoa, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Jirama, Vonjy Andriamanga. Zava-dehibe tokoa ny fampitomboana ny tolotra rano ho an’ny mponina eto Antananarivo sy ny faritra manodidina, araka ny teny napetraky ny Filoha Andry Rajoelina.

Tsy misy ahiana ny haintany…

Ny tanjona amin’izao fanatsarana izao dia ny hitsinjovana ny filàna, ka hampitomboana 200.000 m3 isan’andro ny vokatra amin’izao fotoana izao, ary koa hampitomboana ny isan’ny mponina afaka misitraka rano fisotro madio. Tsara ho marihina fa efa mandeha ny famitana ny toby tranovy famokaran-drano folo apetraka eto Antananarivo izay hanampy 24 000 m³ ihany koa ny famatsiana. Manoloana ny mety hisian’ny haintany, dia volaza fa misy tahirin-drano sahabo ho 140.000.000 m³ ao amin’ny tohadranon’Tsiazompaniry, ary ho ampy ho an’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina hatramin’ny volana Janoary 2022. Marihina fa miankina amin’ny fiarovana ny sahandriaka sy ny rotsakorana ny fisian’ny rano, ary ilaina ihany koa ny fampiasana ny rano amin’ny ara-drariny eo anivon’ ny mponina. Izany rehetra izany dia midika ho fikajiana ny tontolo iainana. Nohantitranterin’ny Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa fa Velirano faha-2 ny fisitrahan’ny rehetra rano fisotro madio, ary mitaky andraikitra ihany koa avy amin’ny olom-pirenena tsirairay avy mba hampaharitra ny fisitrahana ny tahirin-drano misy, ary ny fitsitsiana ny fampiasana ny rano efa misy. Ny alatsinainy 19 jolay lasa teo no nanaterahana ity fitsidihana ity, izay niaraha tamin’ireo tompon-draikitra mahefa.

 

Marina (Mpianatra asa) sy LR.

Fermer