PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TETI-DRATSY HAMONOANA NY FILOHA RAJOELINA: 10 tapitrisa Euro no nangonin’ireo olon-dratsy, Orinasa mpitrandraka solika no mpiray tendro

Mitohy ny famotorana. Mivoaka tsikelikely ny vaovao manodidina ny fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ny ampaham-baovao mivoaka avy amina loharanom-baovao azo antoka akaiky ny famotorana no nahafantarana fa nifandray tamina orinasam-pitrandrahana solika ny iray tamin’ireo atidoha, izay nanomana rafitra famatsiam-bola ny teti-dratsy mihitsy, ka tafakatra 10 tapitrisa Euro izany…

Ny rafitra famatsiam-bola hatramin’ny 10 tapitrisa euro no napetraky ny ati-dohan’ilay teti-dratsy hamonoana ny Filohan’ny Repoblika, raha ny vaovao voaangona avy amina loharanom-baovao akaikin’ny famotorana. Ireo antontan-taratasy hita tao an-tokantranon’i Paul Rafanoharana, ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay voasaringotra amin’ity raharaha ity no nahitana izany.   Tsiahivina, fa nandritra ny fisavanana ny tranony teny Ambohitrarahaba dia efa nahitana 250 000 Euro nozarazaraina tanatina valizy efatra, tao amin’i Paul Rafanoharana. Niaiky ho nandray io volabe io avy amina olona tsy fantatra ny vadiny, nandritra ny fisavana, raha ny ampahana horonantsary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook, hatry ny omaly. Ny vadin’i Paul Rafanoharana, izay notànan’ny mpitandro filaminana ihany koa amin’izao, hanaovana fanadihadiana.

Orinasa lehibe mpitrandraka solika

Notaterin’ny ankamaroan’ireo gazety mpiseho isan’andro, omaly, ny fisiana orinasam-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na koa solika, voasaringotra anatin’ity raharaha ity. Ny fandinihan’ny mpitandro filaminana mpanao famotorana ireo antontan-taratasy tratra teny Ambohitrarahaba, tao an-tokantranon’i Paul Rafanoharana, no nahafantarana fa orinasa mpitrandraka solika antsoina hoe “M.O” io nifanatona tamin’ity zandary frantsay teo aloha, isan’ireo nikotrika io tetika hamono ny Filoha Andry Rajoelina io. Raha ny tsilian-tsofina, dia nampanantenaina ity orinasa mpitrandraka solika ity, fa hovahana ny olana amin’ny asa fitrandrahana ataon’izy ireo, rehefa miongana ny Fitondrana Rajoelina. Nilaza ihany koa ny mpitantana io orinasa io, hoy hatrany ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana, fa ho arovany ny fampiasam-bola hataon’izy ireo eto Madagasikara, fa indrindra ny fitrandrahana solika.

Heloka bevava ny fikasana hamono ny Filoha

Faritan’ny lalàna malagasy ao anatin’ny lalàna famaizana ho heloka bevava na crimes ny fikasana famonoana ny Filoham-pirenena, araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna Ranesa

Nandiso izay voalazan’Atoa Paul Rafanoharana ny Arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Odon Razanakolona omaly. Anisan’ireo voarohirohy amin’ity raharaha fikasana famonoana ny Filoha ity io Paul Rafanoharana io, raha tsiahivina. Ity voarohirohy ity izay nilaza ny tenany ho mpanolontsain’ny arsevekan’Antananarivo, ary naneho fa olona akaiky ny Eglizy Katolika.
Firiana, omaly. Tonga hatramin’ny figadrana mandrapahafaty ny sazy mety ho azon’izay olona voaheloka fa manam-pikasana hamono ny Filoha, saingy mbola miankina amin’ny fampanoavana ny famaritana ny heloka tena nataon’ireo olona voasaringotra ireo. Faritan’ny lalàna malagasy ihany koa fa mitovy lenta amin’ny fanatanterahana ny famonoana, ny fikasana famonoana ny Filoham-pirenena ka mety hahazoana io sazy figadrana mandrapahafaty io, araka ny fanazavana hatrany. Marihina fa ny fitsarana malagasy no hanao ny fitsarana sy hamoaka ny didy na ho an’ny teratany frantsay sy manana zom-pirenena frantsay, na ho an’ireo Malagasy.

Raha tsiahivina, ny talata 20 jolay lasa teo no namantaran’ny rehetra io fisamborana natao tamin’ireo olona miisa enina, izay voarohirohy sy voampanga amin’ny fanohintohinana filaminam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny teti-dratsy fikasana hamonoana ny Filoha Rajoelina Andry, tamin’ny alalan’ny Mpampanoa lalàna ambony. Ny teo anivon’ny Polisim-pirenena no nanatanteraka ny fisamborana manontolo azy ireo, ary efa miroso ny fanadihadiana, hatramin’izao. Angom-baovao efa azon’ny mpitandro filaminana amam-bolana maromaro lasa ihany koa, no nentina nanatanterahana io fisamborana io, rehefa voaporofo fa samy nandray anjara tamin’io fikasan-dratsy io, ireto farany.

Nandiso izay voalazan’Atoa Paul Rafanoharana ny Arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Odon Razanakolona omaly. Anisan’ireo voarohirohy amin’ity raharaha fikasana famonoana ny Filoha ity io Paul Rafanoharana io, raha tsiahivina. Ity voarohirohy ity izay nilaza ny tenany ho mpanolontsain’ny arsevekan’Antananarivo, ary naneho fa olona akaiky ny Eglizy Katolika.

 

Fermer