Songadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY CORONAVIRUS: Ho tonga rahampitso ny vaksiny Johnson & Johnson 302 400 fatra

Nandritra ny fandaharana manokana mahakasika ny ady amin’ny Covid-19 omaly no nanambaran’ny Praiminisitra ny fahatongavan’ny Vaksiny Janssen 302 400 fatra eto Madagasikara rahampitso Talata, araka ny vinavina napetraka. Amin’ny fiandohan’ny volana Aogositra kosa no ho avy ny fatra faharoa ho an’ireo nanao Vaksiny Covishield voalohany.

197 000 ireo Malagasy natao vaksiny fatra voalohany tamin’ny Vaksiny Covishield. Ity farany izay tsy maintsy misy fatra faharoa vao manan-kery amin’ny asa fiarovana ny vatana tsy ho andairan’ny tsimokaretina, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Nisy, noho izany, ny fanafarana ny fatra faharoa amin’izany ka ny fiandohan’ny volana Aogositra izao no vinavinaina fa hahatongavan’izany eto an-tanindrazana. Raha ny nambaran’ny Praiminisitra omaly dia ilay karazam-baksiny Astrazeneca ity ho avy amin’ny fiandohan’ny volana Aogositra ity. 200 000 fatra io ho avy io, raha ny fanazavana hatrany. Izany hoe, ampy tsara ho an’ireo olona efa nampiasana ny fatra voalohany. Ny Covishield sy ny Astrazeneca izay Vaksiny iray ihany, raha tsiahivina, fa ny toerana namokarana azy fotsiny no tsy mitovy, ka mahatonga ny anarany ho samy hafa.

Vina amin’ny fanaovam-baksiny

Etsy ankilan’izay anefa, tafiditra tao anatin’ireo Vaksiny efatra voambara fa mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ihany koa ny Janssen na ny Johnson & Johnson. Efa herinandro maromaro izay no nanambaran’ny Fanjakana ny fanafaran’I Madagasikara ity karazam-baksiny ity. Nilaza àry ny Praiminisitra omaly fa ho tonga rahampitso Talata 27 Jolay ny andiany voalohany amin’ity karazam-baksiny ity ho antsika eto Madagasikara, raha ny vinavina. Miisa 302 400 fatra na 302 400 doses ity Vaksiny Johnson & Johnson ho avy ity. Araka ny fanazavan’ny Praiminisitra omaly dia mbola mitovy tamin’ny teo aloha rehetra ihany lamina sy  ny fepetra amin’ny fisitrahana izany Vaksiny izany.

Nampahafantarin’ny Praiminisitra omaly hatrany fa manana tanjona lavitr’ezaka I Madagasikara amin’ny fanaovana vaksiny. Raha ny vinavina, araka izany, dia tokony ho Malagasy miisa 840 000 no vita vaksiny amin’ity taona ity, raha toa ka 4 taitrisa amin’ny taona 2022. Eo amin’ny 10 tapitrisa eo kosa hatramin’ny 2023. Mahakasika ilay 100 tapitrisa avy amin’ny Banky Iraisampirenena natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana kosa indray dia nilaza ny Praiminisitra fa tsy hijanona fotsiny amin’ny lafiny vaksiny ny fampiasana izany, fa hifantoka ihany koa amin’ny fanatsarana ireo tobim-pahasalamana rehetra eto amintsika.

Fermer