PolitikaSongadim-baovao

ORINASA MADAGASCAR OIL: Nanamarina ny fandraisana mailaka avy amin’i Paul Rafanoharana

Tamin’ny alalan’ny valandresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety omaly no nitondran’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny Orinasa Madagascar Oil, sy ny orinasa Benchmark Group izay mpiara-miasa aminy, fanazavana mahakasika ny mety ho fifandraisan’izy ireo tamin’ingahy Paul Rafanoharana izay voasaringotra tamin’ny raharaha fikasana hamono ny Filoham-pirenena. Nandritra izany no nieken’ny tomponandraikitra avy amin’ny BenchMark Group sy ny Madagascar Oil fandraisan’izy ireo mailaka avy tamin’i Paul Rafanoharana ny datin’ny 24 Jolay 2021. Mailaka izay nanao fangatahana vola mitentina 10 tapitrisa euros hanaovana fanakorontanana ny Fanjakana mijoro. Nolavin’izy ireo avy hatrany izany fangatahana izany, raha ny fanazavana omaly.

Nandiso ny filazana azy ireo ho mpiray petsapetsa tamin’ireo voarohirohy tamin’ity raharaha ity, noho izany, ny tomponandraikitry ny Madagascar Oil. Izy ireo izay nanamafy ny fanohanany ny Filoham-pirenena sy ny maha zava-dehibe fiandrianam-pirenena, ka manameloka izay mikasa hanao zavatra mifanohitra amin’izany.

Efa ho herintaona….

Ny ampahany amin’ireo porofo am-pelatanan’ny mpanao famotorana izay miparitaka eny amin’ny tambazotran-tserasera kosa anefa no nahalalana fa efa tamin’ny taona 2020 no nisy taratasy nataon’I Paul Rafanoharana nalefa tamin’ity kaompania mpitrandraka solika ity. Ampahana porofo izay manamafy ny fanazavan’ny mpanolontsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny lafiny diplaomasia sy fiaraha-miasa Patrick Rajoelina tao amin’ny France 24 nilaza hoe “efa tao anatin’ny herintaona no nahenoana ny angom-baovao momba ity fikasana hamono ny Filoha Andry Rajoelina ity”. Io ampahana porofo io no nampiseho ilay rafitra fanangonam-bola 10 tapitrisa euro nataon’ny mpiketrika ity teti-dratsy ity. Omaly,  tsy afaka nametraka fanontaniana ny mpanao gazety nandritra ny valandresaka nataon’ireo mpitantana ny Madagascar Oil. Fanontaniana maro anefa no mampanitikitika ny mpanara-baovao taorian’ity fanambarana nataon’ny Orinasa Madagascar Oil ity. Tafiditra ao anatin’izany ny hoe fisiana fampandrenesana nataon’izy ireo tamin’ny Fanjakana na tsia taorian’ny naharaisana ilay fangatahana? Mety mitombina ihany tokoa mantsy ny ahiahy firaisana tsikombakomba raha toa ka orinasa lehibe tahaka azy ireo ny maharay fangatahana manambana fanakorontanana toy izany kanefa tsy misy fampandrenesana any amin’ireo tomponandraiki-panjakana mahefa, na ihany koa any amin’ny mpitandro filaminana tokony hisahana ny fanenjehana izany. Mbola mitohy noho izany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity…

Ny Fanoratana.

Fermer