Songadim-baovaoSosialy

ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA: Efa miasa ny toby mamokatra rano 100m³/ora miisa telo

Amin’ny 1 ora maraina dia efa mandeha maka rano any amin’ny toerana lavitra ahitana rano fisotro madio ny mponin’ny Kaominina Ankadimanga, ao amin’ny Distrikan’Atsimondrano teo aloha, nandritra ny efa-taona, noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa mamatsy rano.  Miteraka fahasahirana ho an’ny mponina izany, ary vitsy rahateo no mahavita izany isan’andro, hany ka lasa maka rano any amin’ny vovo ny ankamaroan’ny olona. Mazava ho azy, tsy azo antoka ny fahadiovan’ny rano sotroina, ary mety hiteraka aretina sy voka-dratsy hafa indray aza izany. Ankehitriny, voavaha tanteraka ny olan’ny mponina ao an-toerana, hatramin’ny nahavitan’ny toby famokaran-drano ao amin’ny Kaominina Ankadimanga. Raha ny fanazavana, rano hatramin’ny 100m³ isan’ora no ho vokarin’ity toby ity, ka tsy Ankadimanga irery noho izany no hisitraka ny rano avy aminy fa hahazo ihany koa ny Kaominina Fiombonana sy ny Kaominina Ambohidrapeto.

Fidinana ifotony

Mifanindran-dalana amin’ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ao Ankadimanga ity ihany koa ny fijoroan’ny toby mamokatra rano eny Ambatomaro sy ny eny Mandikanamana. Ireo toby famokaran-drano ireo izay samy hanome rano 100m³ isan’ora avokoa. Omaly, nisy ny fitsidihana ireo toerana telo ireo nataon’ny Ekipan’ny Minisiteran’ny  Rano, Fidiovana sy Fanadiovana notarihin’ny Minisitra Rakotovelomanatsoa Voahary. Fotoana izay nijerena ifotony ny fiasan’ny milina sy ny fahatongavan’ny rano any amin’ireo mponina tokony hisitraka izany. “Velirano faharoan’ny Filoham-pirenena ny rano fisotro madio ho an’ny rehetra, ka efa andalam-pahatanterahana izany ankehitriny”, hoy ny Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany. Tetsy ankilany, velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana ireo vahoaka eny ifotony satria efa azo tsapain-tanana ny famahana marina ny olan’ny vahoaka. Marihina fa niarahana tamin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isaky ny toerana naleha ny fitsidihana natao. Ankoatra ireo efa vita ireo, efa andalam-pahavitany ihany koa ny toby famokaran-drano eny Ivato, Distrikan’Ambohidratrimo.

Fermer