PolitikaSongadim-baovao
FIKASANA HAMONO NY FILOHAM-PIRENENA : Hatraiza ny andraikitry ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona ?
Niaiky ity voalaza fa tompon-kevitra tamin’ny fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika ity fa ny handray ny fahefana mihitsy no tanjony. Ankoatra ireo manamboninahitra ambony sy zandary efa voasaringotra anatin’ity raharaha ity, in-dimy ambin’ ny folo no notononin’i Paul Rafanoharana ny anaran’ny arsevekan’Antananarivo ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsene raha ny resaka nivoaka avy amin’ny famotorona.
Tsy niambahamba i Paul Rafanoharana, ilay tompon-kevitra amin’ny tetikasa Appollo 21, anarana nampitondrainy ny teti-dratsy hamonoana ny Filoha Rajoelina, nanonona ny anaran’ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène. Raha ny ampahan-dresaka nivoaka avy tao amin’ny efitra famotorana, in-15 no voatonona ny anaran’ny arsevekan’Antananarivo. Fantatra nandritra izany koa fa efa ho am-bolana maromaro izy mianaka no nihaona ary raha kely indrindra dia indroa na in-telo isan-kerinandro izy ireo no mihaona sy miresaka, ka isan’ny votoatin-dresaka amin’izany ny tetikasa Appollo 21. I Paul Rafanoharana izay nilaza foana hatrizay fa mpanolontsaina manokan’ny arsevekan’Antananarivo. Andraikitra izay mbola nampiasainy tanatin’ilay taratasy ho an’ny tale jeneralin’ny orinasa Madagascar oil mangataka fampiasam-bola hatramin’ny 10 tapitrisa Euro. Hatraiza àry izany ny andraikitry ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona anatin’ity raharaha ity ? Hatraiza ny maha-tafiditra azy ? Ny valin’ny fanadihadiana sy ny famotorana ihany no afaka ahazoana valiny. Raha tsiahivina, efa nisy ny fanambarana nataon’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona izay nandiso ny mety ho fifandraisany tamin’ingahy Paul Rafanoharana ao anatin’izao raharaha izao, izay nitonona hatrany ho mpanolotsaina manokana azy. Araky ny angom-baovao avy amina loharanom-baovao akaiky ny famotorana dia hanatona ny Arsevekan’Antananarivo eny amin’ny biraony tsy ho ela ny mpanao famotorana hanadihady ity lehiben’ny fiangonana katolika eto Antananarivo ity.
Fakana ankeriny sy famonoana… Fitondrana tetezamita
Mandra-piandry, miha-mazava tsikelikely ny paikady napetraky i Paul Rafanoharana. Vola 10 tapitrisa Euro no nangonina hanaovana ny teti-dratsy. Mpikaramana an’ady vahiny 15 no efa nangonina ho ampidirina eto Madagasikara hanatanteraka ny asa, miampy manamboninahitra ambony Malagasy maromaro sy zandary ampolony mahery. Raha tsilian-tsiofina nivoaka avy amin’ny famotorana dia ny haka an-keriny ny Filoha Andry Rajoelina sy ny hamono azy mihitsy no paikan’izy ireo mba ahafahany mandray ny fahefana. Mpitondra ambony maro sy mpikambana anaty governemanta vitsivitsy koa no efa nataon’izy ireo tanaty lisitra. Raha ny resaka avy tao amin’ny efitrano famotorana tafavoaka hatrany dia fantatra efa lasa lavitra mihitsy ny paik’ady. Niaiky mihitsy i Paul Rafanoharana nandritry ny famotorana azy raha ny fantatra fa izy no efa nikasa handray ny fahefana ary hanangana governemanta tetezamita. Efa voarafitra mihitsy aza raha ny filazany izany governemanta izany, ary efa nifandray mivantana tamin’ireo olona ireo izy. Fantatra koa ankoatra izay fa efa nametraka paik’ady hanerena ireo mpikambana ao amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ankehitriny izy sy ny ekipany mba hanaiky izay fanonganam-panjakana izany sy ny fametrahana azy hoe filohan’ny tetezamita.
Tsiahivina hatrany fa mbola raharaha mitana ny sain’ny maro ity fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika ity nanomboka ny alarobia lasa teo. Olona enina no efa nosamborina mahakasika izany. Ary isan’izany i Paul Rafanoharana izay azo ambara ho iaingan’ny fanadihadiana rehetra mandeha amin’izao fotoana.
Ny Fanoratana.




