
Songadim-baovaoSosialy
FISITRAHANA NY VAKSINY COVID-19: Azo atao ny misoratra anarana amin’ny Internet, ho asina QR Code ny karatra vaksiny
Fanontaniana maro no napetraky ny mpanara-baovao taorian’ny fahatongavan’ny Vaksiny Johnson & Johnson afak’omaly teny Ivato. Nisy, noho izany, ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka omaly, izay nilaza ireo tsara ho fantatra rehetra momba izany. Fotoana izay nanambaran’ny Minisitra fa ny fanajana ireo fepetra sakana irery ihany no antoka handresena ny aretina, ary ny fanaovam-baksiny dia tsy miantoka ny tsy fahazoana ny tsimokaretina.
Tonga ny talata teo teny Ivato ny andiany faharoa amin’ny vaksiny azontsika ao anatin’ny initiative Covax, dia ny Johnson & Johnson. Mazava ho azy, tsy maintsy hisy ny fandaminana amin’ny fahazoana ny vaksiny sy ny fanaovana vaksiny amin’ny ankapobeny. Mahakasika izany indrindra, nilaza ny Minisitry ny Fahasalamana, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa eny amin’ireo toerana mahazatra efa nisoratana anarana tamin’ny andiany voalohany tamin’ny covishield no atao ny fisoratana anarana amin’ity andiany Johnson & Johnson ity. Azo atao kosa anefa manomboka izao ny misoratra anarana amin’ny alalan’ny Internet. Eo koa ny fahafahana misoratra anarana amin’ny alalan’ny simaiso izay efa andalam-pikarakarana izany ny Minisitera ankehitriny. Raha ny fanazavan’ny Minisitra omaly dia hisy koa ny fampiasana ny laharana maitso manomboka izao izay mbola hiarahana miasa amin’ireo minisitera hafa.
Hofaritana ireo sokajin’olona hisitraka
Notsipihin’ny Minisitra tomponandraikitra fa ireo izay mbola tsy nahazo ny vaksiny teo aloha no afaka hisitraka ity andiany vaovao ity. Hisy ny fandaminana maro samihafa miaraka amin’ny “Groupe Technique de Travail National” GTTN, na ny vondrona misahana ny fandrindrana ny vaksiny, miaraka amin’ny ANAMEM amin’ny famaritana ny sokajin’olona tokony hisitraka izany. Ny famaritana izany dia miankina amin’ny fisehoan-javatra eto amin’ny firenena ihany, araka ny fanazavana . “Efa nisy ny fanambarana mahakasika ny sokajin’olona tokony hisitraka ny Vaksiny saingy mbola amin’ny ankapobeny izany, noho ny efa fananantsika ny PNDV na ny drafitra fanapariahana ny vaksiny hatrany amin’ny 2023”, hoy ny Minisitra. Izany hoe, misy lamina manokana arakaraka ny vaksiny.
Marihina fa maimaimpoana hatrany ny vaksiny, ary tsy an-tery fa an-tsitrapo. Notsiahivin’ny Minisitra fa ho avy tsy ho ela ny fatra faharoa amin’ny vaksiny Covishield, ka ireo efa nisitraka ny fatra voalohany ihany no mahazo misitraka ny fatra faharoa.
Asina QR Code ny karatra
Hisy fanatsarana hatao ihany koa ny karatra fanamarinana fahavitana vaksiny, raha ny fanazavana omaly. “Ho asina code barre na QR Code ny karatra vaksiny”, hoy ny fanazavana. Marihina fa ny Fitondram-panjakana hatrany no lohalaharana sy mitarika ny fanaovam-baksiny. Hatramin’ny voalohany dia niarahana tamin’ny ANAMEM izany, ary nohamafisina ao anatin’ilay GTTN, ary mandalo ny Minisitera avokoa ny fikirakirana ny vaksiny rehetra. “Ny fanaovana vaskiny dia tsy midika fa tsy ho azon’ny tsimokaretina isika”, hoy ny Minisitra. “Ny fanaovana vaksiny dia mampihena ary miaro mba tsy handehanana any amin’ilay tranga misy fahasarotana”, hoy hatrany ny fanazavana. Fotoana izay nanambara fa isika koa manana ny CVO izay mampihena ny fandehanana mankany amin’ny formes graves, na ny tambavy izany na ny gélules. Noho izany, ny fanajana ny fepetra sakana no fitaovana voalohany no sady tsara hisakanana ny fiparitahan’ny valanaretina.



