PolitikaSongadim-baovao
TETI-DRATSY APOLLO 21: Olona 21 nohenoina, Jeneraly am-perinasa ny dimy
Mihazakazaka ny fizotry ny fanadihadiana momba ilay raharaha fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika. Hatreto, raha ny fanambarana nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny fitsarana ambony (PGCA), Berthine Razafiarivony, omaly, tafiakatra 21 ireo olona efa nohenoina sy natao famotorana mahakasika ity raharaha ity, izay ahitana Jeneraly malagasy am-perinasa miisa dimy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana…
Nohamarinin’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony omaly nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy ny fisian’ny teti-dratsy fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika sy Tomponandraiki-panjakana maromaro eto amin’ny firenena, niainga tamin’ny vaovao voaangona nandritra ny famotorana. Hatramin’ny omaly, araka izany, olona miisa 21 no fantatra fa nohenoina sy nanaovana fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Miaramila sy Zandary am-perinasa ny 12 amin’ireo olona 21 ireo, izay ahitana Jeneraly miisa dimy, Manamboninahitra lefitra miisa 5, ary Kapiteny miisa 2. Miaramila sy zandary efa nisotro ronono, ahitana teratany vahiny sy Malagasy, kosa ny efatra tamin’ireo nohenoina, ary sivily ny dimy sisa.
Hatramin’ny nanaovana ny fanambarana omaly, olona miisa 14 no atao andrimaso, araka ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony hatrany. Ity tomponandraikitra ity izay nilaza mazava tsara fa ankoatra ny Filohan’ny Repoblika dia olom-panjakana ambony akaiky ny Filoha miisa dimy hafa ihany koa efa tao anatin’ny drafitra ho vonoina.
Mitohy ny fanadihadiana, ary raha ny vaovao eo am-pelatanan’ny mpanao famotorana dia mitondra mankany amin’ny fahafantarana ny tena atidoha nikotrika ny raharaha, hoy hatrany ny fanazavana.
Tranga maromaro no voamarina
Hatreto izany, saika voamarin’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony avokoa ireo vaovao rehetra efa niparitaka tao anatin’izay herinandro mahery izay, na tamin’ny tambajotran-tserasera izany na tamin’ny haino vaky jery. Tafiditra ao anatin’izany ny famotorana natao tamin’ny tranon’ny olona iray izay voasaringotra tamin’ity raharaha ity, ka nahitana vola mitentina 900 tapitrisa ariary, niaraka tamin’ny basy, ary fitaovana informatika vitsivitsy izay nampiasainy, toy ny Solosaina sy Finday. Teo koa ireo Fiara miisa roa izay hita nandritra ny fisavana. Nandritra ny fijerena ny tao anatin’ireo fitaovana informatika ireo no nahitana ny fifaneraseran’ilay voarohirohy tamina olona samihafa, na tamin’ny alalan’ny SMS izany, na tamin’ny alalan’ny Mailaka. Ary tamin’izany indrindra no nahitana ny Mailaka izay nalefan’ilay olona voasambotra tamina orinasa mpitrandraka solika iray, izay nanao fangatahana famatsiam-bola ho an’ny Drafitra Appollo 21. Voamarina tao anatin’ny Mailaka ihany koa ny fikasana mihitsy hanongana ny Governemanta mijoro ankehitriny, ny famonoana ireo tomponandraiki-panjakana hafa, sy ny sisa hafa koa.
Noho izany, voamarina ny fisian’ireo tranga ireo, araka ny fanambarana ofisialy omaly. Teo am-pamaranana, niantso ny mpikirakira vaovao ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony mba hampiseho ny maha matihanina azy ireo amin’ny famoaham-baovao sy ny fikirakirana izany. Tanjona, araka ny nambarany, ny fanajana ny fiheverana fa mbola tsy meloka ireo olona tafiditra anatin’ny fanadihadiana.



