PolitikaSongadim-baovao
ANTOKO FREEDOM: Mametraka Etika amin’ny fomba fanaovana politika
Nazava ny tenin’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony, nandritra ny fametrahana ny sampan’ny Antoko tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Nolazainy fa antoko politika manana ny foto-kevitra hijoroana efa hatrany am-boalohany ny Freedom, ary mametraka ny Etika amin’ny fomba fanaovana politika.
Hery ankavia, sosialy demokraty. Io no nahafantarana ny Freedom hatramin’izay ka hatramin’izao. Izany no midika fa anisan’ireo antoko miady ho an’ny sosialy, miady ho an’ny fahafahan’ny isam-batan’olona ny Freedom. Tsy niova izay foto-kevitra nijoroana izay hatrany am-piandohana mandrak’ankehitriny. Nambaran’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko, Lalatiana Andriatongarivo, tao Fianarantsoa ihany koa, fa tsy mbola nisy fiovany ny safidy sy ny foto-kevitra noraisin’ny Antoko tamin’ny volana Aogositra 2018 nanohanana ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana. Ireny fanapahan-kevitra rehetra izay raisina amin’ny alalan’ny Kongresy rahateo. Mbola naverin’ny Filoha nasionalin’ny Antoko hatrany fa mbola tafiditra ao anatin’ireo voalohany tena manohana ny Filoha ny Freedom ankehitriny, resy lahatra amin’ny Filoha ary miaro azy ihany koa amin’izay mety ho sakana samihafa.
Anisany tena mampiavaka ny Antoko Freedom, hoy ny Filoha Nasionaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany tao Fianarantsoa, dia ny fijoroana amin’ny foto-kevitra. “Hanao politika amin’ny fomba misy etika ny Antoko Freedom”, hoy ny fanazavany. Fotoana izay nanipihany fa tsy ho avy amin’ny olon’ny Freedom mihitsy izany hisy ho voasaringotra amina raharaha kolikoly na fanodinkodinam-bolam-panjakana izany. Mijoro amin’ny etika ny Antoko, ary ireo mpikambana rehetra ao aminy koa dia resy lahatra amin’izany. “Ny Antoko Freedom dia resy lahatra fa tokony ho miova ny fomba fanaovana politika, havaozina ny mpisehatra politika fa tsy tokony ho ireo efa dinozoro politika teo ihany no ihambo itondra ny firenena, fa betsaka ny tanora no mahavita azy ary mila omena sehatra”, hoy hatrany izy.
Tafapetraka ny Freedom Matsiatra Ambony
Distrika fito ao Matsiatra Ambony no efa ahitana ny Antoko Freedom amin’izao fotoana. Raha ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Marie Vianney, izay napetraka ho mpandrindram-paritry ny Antoko Freedom Matsiatra Ambony, dia efa tany amin’ny taona 2016 no notorotoronina ny Freedom tao amin’ity Faritra ity. Fotoana vitsivitsy taty aorian’izay dia efa nisy hatrany ny fifanatonana niaraka tamin’ny birao nasionaly. Nanomboka ny taona 2019 dia efa nandray fanasana avy amin’ny Freedom foibe hatrany ny Freedom avy ao Matsiatra Ambony rehefa fifampiarahabana nahatratra ny taona na ihany koa Kongresy. Dikany, efa vita fandinihana ela ny fametrahana ny sampana Freedom ao an-toerana. Nandritra ny lahateniny no nanambaran’ny mpandrindram-paritry ny Antoko Freedom fa efa manana tetikasam-piarahamonina mifanaraka amin’ny filan’ny Faritra izy ireo. Misy ny tetikasa azo tanterahina avy hatrany, misy ireo antonontonony ezaka, avy misy vina lavitr’ezaka. Nandritra ny fihaonana ihany koa no nanolorana ireo mpiara-miasa rehetra isaky ny Distrika ao Matsiatra Ambony.
Nandritra ny dian-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo tao Matsiatra Ambony no nitsidihany ny Akany Les Enfants du Soleil, Mahamanina Fianarantsoa. Ny tenany izay nanaiky ny hiahy ny Akany araka ny fangatahana nataon’ny Tale ao an-toerana. Misy isan-karazany ny fitaizana ireo zaza, na ankizy, na tanora na ireo renim pianakaviana niharan’ny hetraketraky ny fiainana tonga ao amin’ny Akany. Araka izany, nitondra fanampiana ho azy ireo n Antoko, ahitana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra (kahie, sy kojakoja ary boky), fitaovana entin’ireo tanora mianatra patisserie, fitaovana ilain’ny akany andavanadro(vilia sy sotro), ary milina fanjairana.



