SamihafaSongadim-baovao
FAMPIOFANANA MPANAO GAZETY: Vita ny fanohanana ny asa fikarohan’ireo mpiofana miisa 40
Tontosa omaly ny fanohanana ny asa fikarohana nataon’ireo mpanao gazety miisa 40 mianadahy manerana ny nosy, izay nanaraka hatramin’ny farany ny fiofanana matihanina ho an’ny mpanao gazety (Formation Professionnelle des Journalistes), nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Tsy vitsy amin’ireo olona misehatra amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika no tsy nanaraka ny fiofanana mifandraika amin’izany, fa avy hatrany dia nanao ny asa amin’ny maha mpanao gazety noho ny filan’ny orinasa na ihany koa vokatry ny fahaiza-manao manokana ananany. Tsikaritra ihany anefa ny fahabangana amin’ny lafin-javatra sasany eo am-panatanterahan’izy ireo ny asany ka antony nahatonga ny minisitera niroso tamin’ny fanofanana maha matihanina mpanao gazety. Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava, fa tanjona kendren’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolonsaina amin’izao fampiofanana izao ny hampananana lenta ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety rehetra tsy ankanavaka.
Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 2019 ny Minisitera no efa nanao vaindohan-draharaha tamin’ny fametrahana fandaharan’asa goavana mitohy entina hanampiana ny mpanao gazety izay te hanamafy ny fahalalany amin’ny alalan’ny fiofanana matihanina. Amin’ny maha fandaharan’asa maharitra azy, dia hisitraka diplaoma ara-panjakana ankatoavin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, sy ny Minisiteran’ny asa, asam-panjakana sy ny lalàna sosialy ireo mpiofana. Izany indrindra no antony tsy maintsy hiatrehan’ireo mpanao gazety mpiofana ireo fanohanan-kevitra (Soutenance) miainga amin’ny fikarohana sy ny fampiharana ny fampiofanana nomena azy ireo.
Hivoaka ny zoma izao
Tontosa omaly, araka izany, ny fanohanana ny asa fikarohana nataon’ireo mpanao gazety miisa 40 mianadahy manerana ny nosy, izay nanaraka hatramin’ny farany ny fiofanana matihanina ho an’ny mpanao gazety (Formation Professionnelle des Journalistes), nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tsara ho fantatra fa maharitra enim-bolana ny faharetan’ny fiofanana ho an’ny sokajy voalohany (Niveau 1) ary 10 volana ho an’ny sokajy faharoa (Niveau 2), noho ny akon’ny krizy ara-pahasalamana anefa dia voatery nihitatra hatramin’ny herintaona mahery ny fiofanan’ireo andiany indray mihira voalohany ireto.
“Père Rémi RALIBERA”, io no anarana nampitondrainy ireto andiany indray mihira hivoaka ny Zoma 6 Aogositra izao ireto, ary ho Reny Mpiahy azy ireo kosa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Ramatoa Christine Razanamahasoa. Hiditra tsy ho ela kosa ny andiany manaraka miaraka amin’ny fanofanana ireo mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo sy amin’ny fahitalavitra.




