PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA APOLLO 21: Hirosoana ny fanadihadiana lalina an’i Paul Rafanoharana sy ny vadiny anio
Fiakarana fanindroany eo anoloan’ny fitsarana ny an’I Paul Rafanoharana sy ny vadiny amin’ity anio ity. Raha ny fantatra, dia hiroso amin’ny fanaovana fanadihadiana lalina azy mivady ireto ny fitsarana anio, raha toa ka efa notanana vonjimaika tany Tsiafahy sy Manjakandriana izy ireo, taorian’ny fiakarana fampanoavana, afakomaly.
Tsy mieritreritra ny hamono olona ingahy Paul Rafanoharana, hoy ny mpisolovava azy mivady, ny Me Willy Razanajatovo, fantatry ny maro amin’ny hoe Me Olala. Raha ny fanazavan’ity farany, fikasana hanadio ny Filoha sy ireo manodidina azy, izay voalaza fa mpanao afera maloto sy manao kolikoly no tanjon’I Paul Rafanoharana, fa tsy famonoana velively. Etsy ankilany anefa, toa tsy mifanentana loatra amin’ireo vesatra rehetra efa hanenjehana ny olona arovany ireo hevitra entiny miaro ireo. Ny mpanadihady sy ny Fitsarana irery ihany anefa no afaka mamaritra ny mampitombina izany fiarovan-tena izany na tsia. Noho izany indrindra no antony nirosoana avy hatrany amin’ny fampiakarana fanindroany azy mivady ireto eo anoloan’ny Fitsarana indray, mba hanaovana fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity.
Fivoahan’ny marina
Fikambanana amin’ny mpanao ratsy, fikasana fanonganam-panjakana, fihazonana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana, firaisana tsikombakomba amin’ny fikasana hamono, ireo no anisan’ny vesatra lehibe hanenjehana an’i Paul Maillot Rafanoharana, teratany malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay. Taorian’ny fampanoavana tamin’ny alarobia teo, nampiditra am-ponja vonjimaika teny Tsiafahy avy hatrany ny tenany. Ny vadiny kosa nisy tsy fahasalamana tampoka ka tsy maintsy nalefa teny amin’ny Hopitaly, araka ny angom-baovao. Ny marainan’ny omaly ihany anefa dia nalefa avy hatrany any amin’ny toerana manokana harahi-maso (residence surveillée) any Manjakandriana izy. Ankoatra ny fangatahana fahafahana vonjimaika, nangataka ihany koa ny mpisolovava azy ireo ny hanafainganana ny raharaham-pitsarana momba ity raharaha ity, ary koa ny handefasana izany mivantana amin’ny Haino aman-jerim-panjakana. Ity Mpisolovava ity izay maneho fanahiana mafy ny hisiana tsindry avy any ambony amin’ny valin’ny fitsarana. Ny tsara ho fantatra anefa, dia efa ny vahoaka sy ny mpanara-baovao rehetra mihitsy amin’izao fotoana no liana sy lasa manao tsindry, na dia tsy mivantana aza, ny tokony hivoahan’ny marina rehetra mahakasika an’ity raharaha ity, ary koa ny mba hanasaziana izay rehetra atidoha nikotrika izany, satria Filoha lanim-bahoaka ny Filoha ankehitriny, ka rariny raha maha saro-piaro.
Nohafahana vonjimaika i Sareraka
Tsara ho fantatra fa anisan’ireo niakatra fampanoavana ny alarobia teo ihany koa ny mpanakanto Sareraka sy ny Jeneraly Ferdinand Rakarimanana. Taorian’ny fakana am-bavany azy ireo dia fantatra fa samy nahazo fahafahana vonjimaika izy ireo, ary afaka nody avy hatrany. Raha tsiahivina, ankoatran’i Paul Rafanoharana, nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ihany koa I Phillipe Marc François, kolonely misotro ronono frantsay, sy ny mpiasan’ny Banky Foiben’I Madagasikara teo aloha iray. Nalefa eny Imerintsiatosika kosa ny Praiminisitra teo aloha, tamin’ny Fitondran’ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka, Victor Ramahatra. Eo ihany koa ny komandin’ny « groupe de sécurité et d’interventions spéciales » (GSIS) eo anivon’ny zandarimaria.
Ny Fanoratana.




