PolitikaSongadim-baovao

PRESOMPTION D’INNOCENCE: “Tsy hoe rehefa avoakan’ny mpanao gazety dia meloka”

Nandritra ny fandaharana nataony tao amin’ny fahitalavitra nasionaly sy ny radiom-pirenena omaly no nitondran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, fanazavana mahakasika ny fiheverana ho toy ny tsy meloka ireo olona mbola hadihadiana anatina raharaha iray. Tsy midika fa meloka ny olona iray raha hita mivoaka an-gazety, hoy izy, satria ny fitsarana irery ihany no manana fahefana hanafaka na hanameloka olona iray anatina raharaha iray.

Tsy ny fitsarana velively no namoaka ireo anarana sy sary rehetra miparitaka ankehitriny ao anatin’ny raharaha Apollo 21, hoy ny Minisitry Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo fa vokatry ny fanadihadian’ny mpanao gazety. Dikany, diso ny filazana fa tsy voahajan’ny fitsarana malagasy ny “Présomption d’innocence” na ny Fiheverana ho toy ny tsy meloka ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity. Manaporofo izany, hoy ny fanazavana, ny fomba firesaky ny Tonia ambony mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony (PGCA), izay tsy nanonona anarana olona mihitsy isaky ny nanao fanambarana, fa saika ny andraikitra na ny gradin’ilay olona hatrany no nampiasainy toy ny hoe Jeneraly, Sivily, sy ny sisa. Ny mpanao gazety no mitrandraka sy manao fanadihadiana amin’izay hahazoana loharanom-baovao, ka mamoaka izany, hoy ny fanazavany. Tafiditra tanteraka amin’ny asa maha mpanao gazety azy ireo ihany koa anefa izany, ka tsy misy azo anenjehana azy. Na izany aza, nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa “tsy hoe rehefa avoakan’ny mpanao gazety dia meloka”. Ny fitsarana irery ihany, hoy izy, no afaka manafaka na manameloka olona iray amina raharaham-pitsarana iray. Fotoana izay nilazany fa tsy eto Madagasikara irery ihany no misy tranga toy izao misy ankehitriny izao fa tamin’ny andron’ny raharaha Dominique Strauss-Kahn tany Frantsa, taona vitsy lasa izay, dia nisy toy izao koa. Tsy mbola nisy didim-pitsarana nanafaka na nanameloka an’ity mpanao politika frantsay ity, saingy efa niparitaka tamin’ny Haino aman-jery rehetra tany an-toerana ny raharaha naha voarohirohy azy noho ny fitrandraham-baovao nataon’ny mpanao gazety. Izany anefa tsy nidika hoe meloka avy hatrany izy, raha tsy mivoaka ny didim-pitsarana aorian’ny fotoam-pitsarana.

Fanadihadiana lalina omaly

Araka ny efa notaterina teto omaly, nirosoana ny fanaovana ny fanadihadiana lalina an’Andriamatoa Paul Rafanoharana sy ny vadiny omaly. Nifanindran-dalana tamin’izany koa, araka ny fantatra, ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava azy ireo. Raha ny loharanom-baovao azonay, nolavin’ny fitsarana io fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava io. Dikany, mbola mitohy ny fitazonana am-ponja vonjimaika atao an’I Paul Rafanoharana any Tsiafahy, raha toa kosa ka any amin’ny toerana manokana arahi-maso any Manjakandriana no nametrahana ny vadiny. Mitohy hatrany, araka izany, ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity…

Ny Fanoratana.

 

Fermer