PolitikaSamihafa
FAMPIOFANANA MPANAO GAZETY: Finiavana hampiakatra ny lentan’ny asa fanaovan-gazety malagasy
Miisa 40 ireo mpiofana andiany indray mihira voalohany navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao anatin’ilay fiofanana maha matihanina mpanao gazety eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. “Père Rémi Ralibera”, io no anarana nampisalorana ity andiany ity. Nandritra ny lahateniny, nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa isany tanjona tamin’ny fanaovana izao fampiofanana izao ny fampiakarana ny lentan’ny asa fanaovan-gazety malagasy.
Sambany no nisy minisitera misahana ny serasera nanao ho vaindohan-draharaha ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety toy izao na dia tena anjara andraikitry ny minisitera aza ny manao izany, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo omaly, nandritra ny lahateniny. Izao ekipa mpitantana ny minisitera izao, hoy izy, no nametraka tena fandaharanasa mitohy ho an’ny fampiofanana ny mpanao gazety amperin’asa mba hampiakatra ny lentan’ny asa fanaovan-gazety Malagasy. Fandaharanasa mitohy no nataon’ny Minisitera ary manome mari-pahaizana na “certificat” ankatoavin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, iarahana miasa amin’ny Minisiteran’ny Asa, Asam-panjakana, Fampanana asa, sy ny Lalàna sosialy.
Mpanao gazety tsy niofana
Napetraky ny Minisitera, noho izany, ny fandaharanasa fampiofanana maha matihanina mpanao gazety na “Formation Professionnelle des Journalistes”. Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava, dia fandaharanasa natao hanampiana ireo mpanao gazety efa am-perinasa, ka maniry ampitombo ny fahalalana hahafahany manatsara ny asany ity natomboky ny Minisitera tamin’ny taon-dasa ity. Nambarany fa tsy mbola mahenika ny Nosy ny toeram-panofanana mpanao gazety. Hany ka any amin’ny Faritra sasany, na eto Antananarivo aza, dia misy ireo olona manao gazety avy hatrany vantany vao mahay miteny amin’ny micro sy mahay manoratra fotsiny ihany. Saro-pady anefa ny asa fanaovan-gazety, hoy ny fanazavana, noho izy mitondra ny raharaham-piarahamonina sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.
Sokajy roa
Mizara sokajy roa ny fampiofanana. Misy ireo sokajy ahitana ireo mpanao gazety vao manomboka hisehatra amin’ny asa mihitsy, izany hoe, latsaky ny telo taona no niasany tanaty orinasa fanaovan-gazety, izay miofana mandritra ny enim-bolana. Misy kosa ireo ao anatin’ny sokajy faharoa izay efa nihoatra ny telo taona no niasany tanaty haino aman-jery saingy mbola te hanamafy ny fahalalany na te hitrandraka fahaizana vaovao, izay miofana mandritra ny folo volana. Nanao fampivondronana indray mandeha isaky ny enina herinandro teto Antananarivo hatrany ireo nandritra ny fiofanana. Aorian’izay kosa dia manao fampiharana any amin’ny Faritra niavian’izy ireo tsirairay avy. Namaranana ny fiofanana kosa ny fanohanana am-bava ny asa fikarohana nataon’ireo mpianatra.
Maodely iombonana amin’ny programam-pampianarana
Nandritra ny lahateniny, nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa ao anatin’ny fandaharanasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina koa amin’ity taona ity ny handrafitra miaraka amin’ireo sehatra voakasika ny maodely iombonana amin’ny programam-pampianarana sy fampiofanana manodidina ny asa fanaovan-gazety (référentiel). Ny tsikaritra mantsy, hoy izy, dia indraindray tsy dia tena mamaly ny filan’ny orinasa fanaovan-gazety sy ny fivoaran’ny toetr’andro loatra ny mpianatra mivoaka amin’ny sekoly sy toeram-panofanana sasantsasany. Torak’izany koa indraindray ny fanamafisam-pahalalana na renforcement de capacite misy. Hany ka mitotongana izay tsy izy ny lentan’ny asa. Koa amin’ny maha Minisitera miahy ny asa fanaovan-gazety dia hitarika izahay ny fikaonan-doha miaraka amin’ny rehetra izay voakasika izany toy ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa; ny Minisiteran’ny Asa, ny Asam-panjakana, ary ny Lalana sosialy, ireo sekoly sy ivon-toeram-panofanana ho mpanao gazety, ireo orinasa fanaovan-gazety, ary ireo mpiara-miombona antoka teknika ihany koa.
Marihina fa ny lanonana omaly ihany koa no nanamarika ny fanombohan’ny fiofanana ho an’ireo ao amin’ny andiany indray mihira faharoa, izay ahitana mpiofana 40 ao amin’ny sokajy voalohany, 40 ao amin’ny sokajy faharoa, ary sokajy vaovao vao napetraka ihany koa ny fiofanana ho an’ireo mpanolotra sy mpanentana fandaharana amin’ny fahitalavitra sy onjampeo izay miisa 40 ihany koa.



