Songadim-baovaoSosialy
FISONDROTRY NY VIDIM-PIAINANA : Manome telo andro ny tomponandraikitra hitondrana vahaolana ny Filoha
Tsy nitsitsy fitenenana ny Filoha Andry Rajoelina omaly raha niresaka mahakasika ny fiakaran’ny vidin’entana, izay mampikaikaika ny vahoaka ankehitriny. Misy ny mpanararaotra, hoy izy, manomboka any amin’ny mpanafatra, mpamongady, mpitsinjara, indrindra fa ireo mpanelanelana. Telo andro, noho izany, no nomeny ireo tomponandraikitra voakasika hitondrana vahaolana momba izany.
Niaiky ny Filoham-pirenena fa mety hisy tokoa ny fisondrotan’ny vidin’entana noho ireo antony maro samihafa misy ankehitriny, saingy tsy tokony hihoampampana kosa anefa izany. Anisan’ny antony mampiakatra ny vidin’entana, araka ny nambarany, ny fiakaran’ny saram-pitaterana an-dranomasina. Ankoatra izay, eo koa ny fanararaotana misy ataon’ireo mpanafatra entana avy any ivelany, ireo mpamongady, ireo mpandrinjara, ary indrindra ireo mpanelanelana izay maka tombony mihoampampana. Eo anatrehan’izany rehetra izany anefa, nilaza koa ny Filoha fa misy tsy fandraisana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny vidin’entana, izay nambarany mahitsy fa handraikitry ny Fitondram-panjakana. Niantso ny Minisitra tomponandraikitra noho izany ny Filoha handray ny andraikiny, eo koa ireo Tale isan-tsokajiny, ny Governora, Talem-paritra samihafa. Ary nanome telo andro azy ireo hitondrana vahaolana manoloana izao fiakaran’ny vidim-piainana izao.
“Misy ny olona manararaotra eto amintsika”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Fotoana izay nanambarany fa tokony hogiazana ny entan’ireny olona manararaotra ireny. Isan’ny vahaolana narosony ihany koa ny fanaovana fivoriana miaraka amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny fivarotana ny entana ilaina andavanandro. Tokony hisy, hoy izy, ny fiarahana midinika amin’ny solontenan’ny mpanafatra hijerena marina ny vidiny hanafaran’izy ireo ny entana. Tokony hisy koa ny fivoriana hiarahana amin’ny mpamongady hamaritana ny vidiny omena ny mpandrinjara, dia toy izany koa ny vidiny omena mpanjifa. Raha toa ka tsy misy ny fifampitsinjovana ao anatin’izany, dia azon’ny Fanjakana atao ny manafatra entana mivantana, mampiasa sambo hatramin’ny 20 isa, amin’ny alalan’ny SPM, hoy hatrany ny Filoha.
Lalam-pirenena faharoa
Anisan’ny voaresaka nandritra ny fandaharana manokana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina omaly koa ny mahakasika ny fanamboarana ireo lalam-pirenena eto amintsika, indrindra ny lalam-pirenena faharoa. Notsindriany fa tsy nisy mihitsy ny fikojakojana azy ireny hatramin’izay. Ankehitriny, potika tanteraka ny lalana, ary efa vonona amin’ny fanamboarana ny Fitondram-panjakana. Mandra-pivoakan’ny famatsiam-bola hanamboarana izany anefa dia tsy maintsy hatomboka amin’ny volan’ny Fanjakana malagasy madiodio aloha ny asa, mba hanafaingana azy, araka ny fanazavana. Raha ny tenin’ny Filoha omaly dia hisy fidinana ifotony hotanterahiny amin’ity herinandro ity hijerena ny tena zava-misy marina any amin’iny lalam-pirenena iny.
Famatsiam-bola miantraika any amin’ny vahoaka
Nilaza ny Filoha omaly, raha niresaka momba ny ireo famatsiam-bola azontsika avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, fa hisy fiantraikany any amin’ny vahoaka tokoa ny fahazoan’I Madagasikara ireny vola ireny, na dia tsy mivantana aza. Niova ny fiarahamiasa amin’ny Banky Iraisampirenena, hoy izy. Teo aloha dia izy ireo no mamaritra ny sehatra hampiasana ny vola omeny, fa ankehitriny, ny Fanjakana malagasy no mamaritra ny sehatra laharam-pahamehana tena mila vola, ka isan’izany ny fanamboarana ny lalam-pirenena. Anisan’ireo efa mahazo tombontsoa amin’ny fanampiana avy amin’ny Banky iraisampirenena koa, araka ny voalaza, ireo olona miisa 2 500 000 mandray tosika fameno isam-bolana. Ankoatra izay anefa, mbola ao anaty vina hiarahana amin’ny Banky iraisampirenena koa ny fanomezana tany sy asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ilay tetikasa titre vert, ka hatramin’ny taona 2023 dia tanora manodidina ny 22 000 eo ho eo no hisitraka an’izany.



