PolitikaSongadim-baovao
TETI-DRATSY « APOLLO 21 » : « Ny fiarovako ny tombontsoam-pirenena no antony » hoy ny Filoha Rajoelina
Tsy azo leferina, melohiko tanteraka, hoy ny Filoha ny fampiasana herisetra, raha niresaka mahakasika ny raharaha Apollo 21 ny tenany omaly. Ny tsy fitoviam-pijery, hoy izy, dia tsy tokony ho tonga hatrany amin’ny fanakorontanana. Ary nahitsy ny Filoha, omaly, raha nilaza fa noho ny fiarovany tombontsoan’ny Firenena no hifofoan’ny olona sasany ny ainy ankehitriny.
Azo ambara ho fanehoan-kevitra voalohany nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny omaly raha ny raharaha Apollo 21 no asian-teny. Ny tenany izay nanameloka tanteraka, tamin’ny heriny rehetra, ny fikasana hamono olona sy handrombaka fahefana tamin’ny fomba feno herisetra teto amin’ny firenena. Andrimpanjakana nofidiam-bahoaka no mijoro ankehitriny, hoy izy, ka tsy tokony ho amin’ny alalan’ny herisetra no hanesorana azy.
Iny omaly iny ihany koa no namaliana ireo resabe mandeha mahakasika ny fifandraisany sy ilay voalaza fa atidoha niketrika ity teti-dratsy Apollo 21 ity. “Tsy mpanolontsaina ara-diplomatikako mihitsy io olona io tamin’ny andron’ny tetezamita”, hoy ny Filoha. Nambarany fa indroa ihany ny tenany no tafihaona tamin’io olona voarohirohy io, fa tsy manana fifandraisana manokana akory.
Notsindrian’ny Filoha omaly koa ny tsy maha sarimihetsika ity raharaha Apollo 21 ity. Efa nohamarinin’ny Tonia ambony mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambony izany, hoy izy, ary ananana porofo. “Andrasana hisy ho faty mihitsy ve vao hino?”, hoy izy. Fotoana izay nampahatsiahivany ireo Filoha afrikanina vitsivitsy izay nisy namono tato anatin’ny telo volana farany. Isan’izany ny Filoha Tchadianina, Idriss Déby Itno, tamin’ny 18 Aprily 2021, teo koa ny Filoha Haitianina, ny 07 Jolay 2021 teo. “Matoa misy ny olona manana fikasana toy izany, dia noho ny fiarovako ny tanintsika, sy ny tombontsoan’ny Firenena”, hoy ny Filoha Rajoelina.
Efa nipetrapetraka ny teti-dratsy
Nizara efatra nazava tsara ny drafitra fanatanterahana ilay teti-dratsy Apollo 21, raha ny fampahafantarana nataon’ny Filoham-pirenena omaly. Vola 5 tapitrisa Euro no nokasaina hahodina ao anatin’ny teti-dratsy, hoy ny fanazavana. Isan’ny dingana efa natao ny fikotrehana fikorontanana ara-tsosialy tamin’ny Faritra maro teto Madagasikara. Toa manamarina ny famakafakana efa nentina teto hatramin’izay ihany ity raharaha ity, noho izany, mahakasika ireo fitokonana tsy fanta-pototra mazava niseho tao anatin’ny volana vitsy lasa izay. Teo koa ny fikasana hifofo ny ain’ny tomponandraiki-panjakana ambony miisa dimy tena andrin’ny Fitondrana. Fa ankoatra ireo, nisy koa ny fanomezana vola mpitandro filaminana, sy ireo sendika ary fiarahamonim-pirenena. Tsy gaga isika, araka izany, raha nahita ny fanehoan-kevitr’ireo fiarahamonim-pirenena sasantsasany izany toa lasa fankahalana be fahatany ny Fitondram-panjakana no atao lahasa. Efa tao anaty drafitra ihany koa ny fakana komando miisa 13 avy any ivelany hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa. Manoloana ireo rehetra ireo, tsy nisalasala ny Filoha nilaza fa misy mpanao politika ambony tafiditra ao anatin’izao raharaha izao.
Na eo aza anefa ireo vesatra sy porofo eo am-pelantanan’ny mpanao famotorana, nilaza ny Filoha fa manaja tanteraka ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ao anatin’ity raharaha ity. Etsy ankilany, miankina amin’ny fivelaran’ny raharaha sy ny fanadihadiana no mety hampisy fiantraikany ny fifandraisana eo amin’I Frantsa sy Madagasikara an’ity raharaha ity. Tsy voatery ho ny firenena iray manontolo no manao ny tsy mety, hoy izy, raha toa ka olona iray no manao fahadisoana aty.
Ny Fanoratana.



