Songadim-baovaoToekarena

FARITRA IHOROMBE: Hampanarahan-dalàna ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny Harena an-kibon’ny Tany

Ho fanatsarana ny fitantanana ny Harena an-kibon’ny Tany ao amin’ny Faritra Ihorombe, nisy ny fihaonana teo amin'ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Fikambanan’ireo olom-boafidy avy any amin’iny Faritra iny (Foloay), ny Alakamisy 05 aogositra 2021 teo.

Ny firoborobon’ireo olona misehatra amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena an-kibon’ny tany no mahatonga ny Faritra maro eto Madagasikara tsy mba misitraka fandrosoana, na dia manana harena ambanin’ny tany maro aza. Ho an’ny ao amin’ny Faritra Ihorombe manokana, betsaka ireo karazam-bato sarobidy azo trandrahana ao an-toerana, raha tsy hilaza afa-tsy ny Safira ao Ilakaka, saingy ilàna fifandrindrana asa izany mba itera-bokatsoa ho an’ny Faritra sy ny Kaominina any ifotony. Noho izany indrindra no nandraisan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo Ravokatra, tao amin’ny « Amphithéâtre Lacroix » Ampandrianomby, ny Alakamisy 05 Aogositra 2021 teo, ireo olom-boafidy avy amin’ny Faritra Ihorombe, Solombavambahoaka sy Ben’ny tanàna mivondrona ao anatin’ny Fikambanana Foloay, izay notarihin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Bismark Mong Mann, voafidy tao amin’ny Distrikan’Ihosy.

Tao anatin’ity fihaonana ity no nitondran’ireo olom-boafidy ireo ny hetahetan’ny vahoaka sy nampahafantaran’izy ireo koa ny zava-misy avy amin’ny toerana iandraiketan’izy ireo tsirairay avy. Voaresaka manokana tao anatin’ity fihaonana ity ny mahakasika ny karierana “Crystal” vaky ao Ambinda, Kaominina Analavoka distrikan’Ihosy, ka angatahan’ireto olom-boafidy ireto izay mitondra ny tenin’ny vahoaka ny hijerena akaiky ity toe-draharaha ity.

Harena an-kibon’ny tany tsara tantana

Nandritra ny fihaonana nifanakalozana, nampahafantarin’ny teo anivon’ny Minisitera azy ireo, ireo tsara ho fantatra manodidina ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny lalàna mifehy, ny fahazoan-dalana, ny fitsinjarana ireo tamberim-bidy azo avy amin’ny fitrandrahana, ary indrindra ny vina mahakasika ity seha-pihariana ity. Iray ihany ary mitovy ny vina iombonana, hoy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo Ravokatra dia ny harena an-kibon’ny tany tsara tantana sy manara-dalàna hisitrahan’ny rehetra tombontsoa sy hitondra fampandrosoana. Nampahatsiahivin’ity mpikambana avy eo anivon’ny Governemanta ity fa tsy azo ekena mihitsy ny hisian’ny fifandratrana na fifamonoana eo amin’ny samy Malagasy amin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Vahaolana ny fampidirana sy fidiran’ny mpiantsehatra tsirairay ao anatin’ny ara-dalàna isorohana ny disadisa eo amin’ity sehatra ity.

Araka izany, na ny solombavambahoakan’Ihosy na ireo Ben’ny tanàna dia samy resy lahatra ary nangataka ny fidinan’ny Minisitra any an-toerana hijery akaiky ny toe-draharaha misy eo amin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Zava-dehibe ho an’ireo tompon’andraikitra sy vahoaka eny ifotony izany ho amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpisehatra, ny tamberim-bidy, ny hisitrahan’ny vahoaka tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay, raha ny nambaran’izy ireo.

Fermer