PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FAMOKARANA MENAKA MAVESATRA: Tsy maintsy hitondra vahaolana ho an’i Tsimororo ny Fanjakana

Hanampy betsaka amin’ny famatsiana menaka mavesatra eto amintsika ny famokarana ataon’ny fitrandrahana ao Tsimororo, raha toa ka misy ny vahaolana amin’ny lafiny fitaterana. Anisan’ny nivoitra io nandritra ny fandaharana nataon’ny Filoham-pirenena ny alahady teo. Tsy mbola nisy nahavaha io olana io hatramin’izay, hoy izy, fa ny Fanjakana mijoro ankehitriny kosa vonona hitondra vahaolana.

Feno, ary nazava ny resaka nentin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mahakasika ny fitrandrahana menaka mavesatra any Tsimororo. Ny orinasa Madagascar Oil no misahana ny fitrandrahana any an-toerana ankehitriny. Raha ny fanazavan’ny Filoha dia ampihodinana milina mpamokatra herinaratra eto amintsika ny menaka mavesatra avy any amin’ity toeram-pitrandrahana ity. Tahaka izany koa ny fitrandrahana menaka mavesatra ao Bemolanga, izay mbola hiantsorohan’ny orinasa Madagascar Oil ihany koa. Hatreto, ny ao Tsimororo no fantatra fa efa mamokatra. Ary hamatsy ny milina mpamokatra herinaratra etsy Mandroseza.

Anisan’ny olana nambaran’ny Filoha, tsy hahafahana tena mampiroborobo ity famokarana menaka mavesatra ity anefa, ny fitaterana ireo vokatra azo. “360km ny elanelana misy eo amin’i Tsimororo sy Antananarivo. 650ar ny mitondra ny iray litatra amin’izany, noho ny haratsian’ny lalana. Raha tokony ho 30m³ no zakan’ny fiarabe iray, dia lasa 15m³ ihany noho io lalana ratsy io”, hoy ny Filoham-pirenena omaly. Tsy maintsy hijery vahaolana mahakasika izany ny Fitondram-panjakana, hoy ny Filoha, ny alahady teo. Olana izay nambarany fa tsy nisy nahavaha tao anatin’ny taona maro. Ankoatra ny fanamboaran-dalana, anisan’ny soso-kevitra efa naroso ihany koa ny fanamboarana fantsona lehibe afaka hitarika ireo menaka mavesatra hatraty Maintirano. Izany hoe, raha vita izany dia miainga avy eo no hoentina amin’ny fiarabe ireo vokatra, ka hidina mifanaraka amin’izany ihany koa ny saran’ny fitaterana. Tsy mbola manana fahafahana hanatanteraka izany anefa ny mpampiasa vola ao Tsimororo, araka ny nambaran’ny Filoha, ka antony tsy mbola nirosoana tamin’izany.

Hamatsy 10 tapitrisa litatra ho an’ny Jirama

Ny zoma 06 Aogositra lasa teo, nisy ny fanambarana nataon’ny Jirama manoloana ny resabe miely any amin’ny tambazotra sosialy, indrindra mikasika ny fifandraisan’ny orinasa Jirama sy Madagascar Oil. Raha ny fanazavana dia nanao ny tolo-barotra 97 458-C ny orinasa Jirama ny 09 desambra 2020 mikasika ny famatsiana sy fitaterana menaka mavesatra (HFO) ho an’ireo ivo-toeram-pamokarana herinaratra, mandritra ny enim-bolana. Afaka nandray anjara tamin’izany avokoa ireo orinasa mpisehatra eo amin’ny solitany rehetra eto Madagasikara ary anisan’izany ny orinasa Madagascar Oil, raha ny fanazavana. “Nandray anjara tamin’ny tolo-barotra ny orinasa Madagascar Oil ka HFO 10 tapitrisa litatra no narosony tao anatin’ny tolobarotra nomeny. Notombanana ho eo amin’ny 118 tapitrisa litatra eo ny filan’ny orinasantsika Jirama », hoy ny fanazavana. Ny famatsiana ny vondrona mpihary herinaratra ao Mandroseza, araka izany, no azon’ny orinasa Madagascar Oil. Ny 11 jolay lasa teo no tontosa avokoa ireo andrana ara-pampitaovana sy ara-teknika. Nahitam-pahombiazana izany andrana izany, raha ny fanazavana. “Ankehitriny kosa dia mbola miandry ny fahatongavan’ny andiany voalohany amin’ny famatsiana HFO avy amin’ny orinasa Madagascar Oil ny orinasantsika Jirama”, hoy ny fampitam-baovao.

Ny Fanoratana.

Fermer