PolitikaSongadim-baovao

FANOVANA GOVERNEMANTA: Endrika Governemanta manao ahoana no tokony hapetraka?

Vaovao lehibe andrasan’ny maro ankehitriny ny fanovana ny Mpikamban’ny Governemanta izay hita fa tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoham-pirenena, araka ny lahateniny ny alahady teo. Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe, hirona kokoa any amin’ny mpanao politika ve ny mason-tsivana apetraka amin’ireo ho Minisitra vaovao, sa hitohy amin’ny fametrahana teknisianina. Sokajin’olona vitsivitsy, noho izany, no nanaovana fanadihadiana…

“Ny lalana ratsy, ny vidin’entana miakatra, ireo izao no tokony hojeren’ny Fanjakana satria mampijaly eto amintsika”, hoy I A.M, olon-tsotra nanontanianay omaly. Notsindriany fa raha misy fanovana Governemanta tokony hatao dia olona tokony mahavita mamaha an’ireo olan’ny vahoaka ireo no apetraka. Ho an’ny hafa indray, dia ny fanovana ny fomba fiasa mihitsy no tokony hatao, satria na miova àry ny olona ka tsy miova ny fomba fiasa dia tsy misy dikany izany. Fehiny, mitaky asa bebe kokoa amin’izay Governemanta ho avy manaraka eo ny vahoaka.

Olona hiasa avy hatrany fa tsy hieritreritra intsony…

Araka ny fahitan’ny mpandinika raharaham-pirenena, sady mpahay lalàna, Ranesa Firiana, tokony ho Governemanta ahitana olona mahafantatra ny zavatra tena ilain’ny vahoaka sy ny maharary ny vahoaka no apetraka, olona afaka mitondra vahaolana amin’izay zavatra mampijaly ny vahoaka. Ary koa, olona tsy tokony manana programanasa manokana, na foto-kevitra politika manokana, fa olona resy lahatra amin’ny politika sy vina napetraky ny Filoham-pirenena. “Tsy olona ieritreritra sy handinika no tokony ao anaty Governemanta manaraka eo, fa olona hiasa sy hanatanteraka. Olona afaka manome valiny mivantana ny vahoaka. Afaka manatanteraka ny baikon’ny Filoha”, hoy izy. Izany hoe, mety misy olona politisianina, nefa mety hisy teknisianina koa.

Nambarany fa ao anatin’ny Vinan’ny Filoham-pirenena, dia misy karazana asa ilàna mpanao politika, fa misy koa asa ilàna teknisianina satria ilàna fahaiza-manao. Nalainy ho ohatra fa raha resaka fitandroana ny filaminana dia tsy maintsy mpitandro filaminana no misahana izany. Ny Minisiteran’ny Mponina, ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Minisiteran’ny Asam-panjakana kosa ohatra dia azo ametrahana mpanao politika, olona mahalala izay maharary ny vahoaka.

Mahasahy miaro ny Filoha

Tetsy ankilany, miombon-kevitra tanteraka amin’ny Filohan’ny Repoblika ny Antoko Freedom ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fanovana ireo Mpikamban’ny Governemanta, izay hita fa tsy maharaka ny dian’ny Filoha. Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko, Haja Rasoanarivo, fa fotoana mihitsy izao fisasahan’ny fe-potoam-piasan’ny Filoha izao hanovana ireo hita fa tsy mahomby. Ho an’ny Antoko Freedom, tsy tokony hametrahana adihevitra ny maha mpanao politika na ny maha teknisianina ny olona hapetraka ho Minisitra. Amin’izy ireo, toerana politika izany Minisitra izany, ka na iza na iza olona apetraka eo dia tokony hijoro hatrany hiaro ny Fitondram-panjakana sy ny Filoha. “Hatreto, mbola ny Minisitra avy amin’ny Antoko Freedom irery ihany no mahasahy mitsangana miaro ny Filoha”, hoy ny fanazavany. Noho izany, tokony ho olona mahasahy miaro ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana no apetraka ho Minisitra rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny fanovana. Mila olona manana fomba fiasa maharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoham-pirenena ihany koa ny Governemanta.

Raha tsiahivina, nitsotra ny Filoha, ny alahady teo, raha niresaka momba ny fanovana Governemanta fa “Tsy maintsy misy foana ny soloina rehefa hita fa misy lesoka”. Na izany aza, misy ny tena manao ny asany. Misy ny mahatratra ny tanjona sy ny Velirano, hoy ny Filoha. Etsy andaniny, misy ny tsy mahatratra sy tsy maharaka ny hafainganam-pandeha, hoy ny Filoha. Tsy maintsy hisy ny fanovana, noho izany. Tsy mbola namaritra ny fotoana hanatanterahana ity fanovana mpikamban’ny Governemanta ity kosa anefa ny Filoha. Tombanan’ny maro kosa ny mety hanaovana izany amin’ity herinandro ity, na amin’ny herinandro ho avy io.

Fermer