
Songadim-baovaoToekarena
NOMERIKA ATY AFRIKA Anisan’ireo voafidy ho mpanorina sangany i Ratozamanana Harinjaka
Voafidy ho anisan’ireo 50 mpanorina maneran-tany ny teknolojia vaovao aty Afrika, i Ratozamanana Harinjaka, teratany Malagasy 43 taona. Ny « Digital Foundation Africa » dia nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny lisitra navoakany, andro vitsy lasa izay, tao Ghana.
Tamin’ity andiany faharoa « Digital Foundation Africa » ity, nahazo ny « Champion numérique » aty Afrika, noho ny traikefa nananany nandritra ny 10 taona niasany tao amin’ny « Habaka Madagascar Innovation hub », i Ratozamanana Harinjaka. « Voninahitra ho ahy, ary afa-po tamin’ny tenako aho, noho ireo asa vitako nandritra izay anatin’izay 10 niasako taty Madagasikara, ka nisafidianana ahy izao. Tsy nametraka fangatahana hanao io fifaninanana io akory ny tenako, saingy ireo namako teratany Afrikanina no nametraka ny anarako tao amin’izany. Taorian’izay, voaantso tamin’ny « Linkedin » aho. Talohan’izay, efa voalahatra tany Etazonia sy Eoropa tamin’io fifaninanana io aho, saingy tamin’ity no naha voafidy ahy tamin’ny sokajy aty Afrika, izay nahafaly ahy tanteraka », raha ny fijoroana vavolombelona nataon-dRatozamanana Harinjaka.
Maro ny famoronana efa nisongadina…
Tamin’ny taona 2011 no namoronany ny « Habaka » niaraka tamin’ny namany « bloggeurs », ary anisany liana tamin’ireo karazana teknolojia vaovao ny tenany tamin’izany. Nananany ny toeram-pikirakirana antontan-kevitra maro mikasika izany, miampy ireo karazana tetikasam-pamoronana mamaly ny olana misy eto Madagasikara, izay nisongadina tao amin’ny ivon-toerana nisy azy, tao Tsimbazaza. « Ny tanjonay dia miompana indrindra amin’ny famoronana tetikasa nomerika mitombina mandrakariva. Azo tanisaina anatin’izany, ohatra, ny dingam-pamoronana eo amin’ny sehatry ny fikarohana nomerika « hackathons », ny vahaolana ara-nomerika anatin’ny sehatry ny ara-tsiansa, ny fambolena, hatramin’ny fanaovan-gazety aty Afrika, ary ny fomba fametrahana ny « fab lab » sy ny « prototypage » miaraka amin’ny fanontana (imprimante) « 3D » ho an’ireo mpandraharaha sy ny mpanao fikarohana. Efa nanome fahalalana tsotsotra momba ny fomba famahana ara-informatika (codage informatique) ireo tanora 7 ka hatramin’ny 17 taona teto Antananarivo sy Fianarantsoa, ary Toamasina, izahay. Azo lazaina, araka izany, fa mahasarika mpamatsy vola ireo antontan-kevitra efa navoakanay. Ny tetikasa fanehoana ny sarin-tanin’ny Renivohitr’i Madagasikara, izay tanteraka noho ny fiaraha-miombon’antoka tamin’ny « open street map », ary nahazoana traikefa koa ny fahalalana momba ny « design thinking » avy tamin’ny oniversiten’i Alemana. Nisy koa fandaharan’asa maro eo amin’ny sehatry ny « open data » izay efa natomboka niaraka tamin’ny Banky iraisam-pirenena », raha ny fanampim-panazavany. Ankoatra izany, amin’izao fotoana ity mpamokatra lehibe ao amin’ny « Habaka » ity dia manoratra « boky fotsy » mikasika ny nomerika eto Madagasikara, sy karazana tantara miompana amin’ireo Mpandraharaha malagasy izay nalainy tahaka teo amin’ny fiainany. Raha ny nambarany, mbola tara isika eto Madagasikara eo amin’ny tontolo nomerika, ary soso-kevitra avy aminy ny hametraka amin’ireo tanora sy mpamorona eo amin’ny sehatra ara-nomerika eto Madagasikara, mba hiaro ny fiandrianam-pirenena. Ny nomerika eto Madagasikara dia mila ireo karazana tan-tsoroka sy fotodrafitrasa maoderina, mba hisarihana ireo tanora manan-talenta misehatra amin’ny nomerika, raha ny nambarany.



