PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA: Tsy ho ela intsony ny fanendrena ireo mpikambana vaovao

Nisy ny fanambarana ofisialy navoakan’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly nilaza ny faharavan’ny Governemanta Ntsay Christian. Fampandehanan-draharaha sisa no ataon’ireo Minisitra ankehitriny, ary tsy ho ela dia ho fantatra ireo ho mpikambana vaovao indray ao anatin’ny Governemanta. Araka ny loharanom-baovao voamarina dia hisy amin’ireo Minisitra ankehitriny no mbola ho voatazona, misy kosa ireo mety hiova andraikitra, ary hisy ireo tsy maintsy hoesorina.

Tsy ho ela intsony ny fanendrena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Governemanta, raha toa ka tapitra omaly Alarobia 11 Aogositra 2021 ny fe-potoam-piasan’ireo Minisitra mpikambana rehetra teo aloha, araka ny fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian. Araka ny fampitam-baovao, noho izany, dia manao fampandehanan-draharaha andavanandro na “expédition des affaires courantes” sisa ireo minisitra ankehitriny mandram-panendry ireo Minisitra vaovao handrafitra ny Governemanta.

Raha ny loharanom-baovao voaray, nisy ny fifanaovam-beloma teo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta nandritra ny filan-kevitry ny minisitra farany omaly ho an’ity Governemanta ankehitriny ity. Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no nitondra teny tamin’ny anaran’ireo mpikambana amin’ny Governemanta, nilaza fa tapitra omaly ny asan’ity governemanta amin’ny endriny ankehitriny ity. Nisaotra ny Filohan’ny Repoblika ny Praiminisitra tamin’izay fotoana rehetra niarahana tao anaty Governemanta izay, ary nilaza fa rehefa nanaiky notendrena dia tokony manaiky hesorina amin’ny toerany ihany koa ireo minisitra. Nanamafy ny fisaorana ny Governemanta ny Filoha noho ny asa nataon’izy ireo, araka ny loharanom-baovao mari-pototra ihany dia fantatra fa hisy ireo minisitra mbola ho voatazona, hisy ireo mety hiova andraikitra ary hisy kosa ireo tsy maintsy hoesorina. Mazava, araka izany, fa efa tsy ho ela intsony ny fanendrena ireo mpikambana handrafitra ny Governemanta vaovao. Azo everina ihany koa ny efa fisian’ny fifampiresahana samihafa amin’ireo olona vaovao hotendrena amin’izany toerana izany.

Soloina rehefa hita fa misy lesoka

Raha tsiahivina, niresaka manokana momba ity fanovana governemanta ity ny Filohan’ny Repoblika, ny Alahady teo, manoloana ireo raharaha sasany izay hita fa tsy mandeha eto amin’ny Firenena. Nitsotra ny Filoha fa efa misy ny fanaovana tombana, ary ny vahoaka rehetra, hoy izy, dia afaka mijery ny fomba fiasan’ny Minisitra tsirairay anatin’ny Governemanta. “Tsy maintsy misy foana ny soloina rehefa hita fa misy lesoka”, araka ny nambarany. Na izany aza, misy ny tena manao ny asany. Misy ny mahatratra ny tanjona sy ny Velirano, hoy ny Filoha. Etsy andaniny, nolazainy fa misy ny tsy mahatratra sy tsy maharaka ny hafainganam-pandeha. Tsy maintsy hisy ny fanovana, noho izany.

Tsotra sady nazava kosa ny tenin’ny Filoha manoloana ireo mivoy ny tokony hanesorana ny Praiminisitra. Tsy mahita olana amin’ny fomba fiasany aho, hoy ny Filoha. Sady tsy mbola nahenoana ihany koa raharaha maloto maha voasaringotra azy, ka tsy misy antony tokony hanesorana azy. Voaporofo izany tamin’izao fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena izao. Azo antoka ihany koa, araka izany, ny hahatafaverina ireo Minisitra sasany, izay heverin’ny Filoha, sy ny mpanara-baovao, fa nahavita ny asa manandrify azy teo anivon’ny Governemanta.

Fermer