Songadim-baovao

Mandritsara : Voasambotra ilay mpisoloky milaza ho mahatafiditra ho zandary

Tra-tehaky ny zandary tao amin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Mandritsara, ny lehilahy iray mpisoloky milaza ho mahatafiditra ho zandary. Taorian’ny fitarainan’ny lasibatra ny alatsinainy lasa teo, dia sarona izy. Volabe hatramin’ny 6.600.000r no efa azony tamin’ny fisolokiana nataony…

Mpampianatra amina sekoly tsy miankina any an-toerana ilay mpisoloky.

Raim-pianakaviana iray no tonga nampandre tao amin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Mandritsara, ny alatsinainy lasa teo, fa voasoloky vola 6.600.000 Ar nandritra ny fifaninanana hidirana ho Zandary farany teo. Araky ny fanazavany dia nisy zanany isany mpifaninana tamin’ny fidirana ho zandary farany teo. Nisy lehilahy iray anefa nilaza tamin’izy ireo fa mahafantatra Kolonely miasa any Antananarivo miaraka  amin’ny kaomandin’ny borigady, izay miasa                 ao Mandritsara,  izay samy voalaza fa mahavita mampiditra ho Zandary. Araka izany, dia nangalan’ity mpisoloky ity volabe ity mpifaninana ho Zandary izay te ho afaka. Voalaza tamin’izany fa nalainy inefatra miantoana io vola io.   Tamin’ny voalohany,  4.000.000 Ar no nalainy ka nofitahiny fa homena ny kaomandin’ny borigady,  mba halefa any amin’ilay kolonely voalaza. Ny faharoa, mila 1.000.000 ariary izany ny  CB, amin’ny fandraisana ny taratasy mahakasika ity mpiadina. Ny fahatelo,  mila 1.000.000 Ar koa izy, fa nandalo teto Mandritsara ity kolonely, ka tokony hokarakaraina tsara. Ary ny farany, mila 600.000 Ar izany izy hikarakarana ireo mpampiadina tany amin’ny toerana nisy ny fanadinana tany Antsohihy. Rehefa nivoaka anefa ny valim-panadinana, dia tsy afaka ilay mpiadina ary ilay mpisoloky kosa, tsy azo antso an-telefaonina intsony sady tsy hita teto Mandritsara taorian’io fotoana io ka izany no antony nitorian’izy ireo azy.

Vokatry ny fikarohana izay natao, voasambotra omaly, tao Mandritsara renivohitra ilay mpisoloky, izay mpampianatra amina sekoly tsy miankina iray ao Mandritsara. Taorian’ny fisamborana azy, niaiky ny heloka vitany ity farany ary nanambara fa izy ihany no tompon’ireo laharana finday, izay voalaza  fa an’ilay Kolonely sy ny Kaomandin’ny borigady. Nomarihiny fa tsy mahafantatra CB izy ary tsy manana olona kolonely akory. Araka ny fanazavan’ny voasandoka, mifanao fotoana matetika ao an-dakazera izy sy ity mpisoloky nandritra ny fanefana inefatra nisesy ny lelavola notakiana. Anisan’ny tena naharesy lahatra azy hoe mahalala tomponandraikitra Zandary marina ity olona natokisana hampiditra ny zanany. Sarotra moa ny namantatra azy ireo, nandritra izany fotoana rehetra izany, noho izy ireo nifanosina tamin’ny olona manan-draharaha tao amin’ny Tobim-paritra Mandritsara. Misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha fisolokiana ity.

Fermer