PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Tsy misy lalàna manery ny Filoha hanangana Governemantan’ny fisokafana”

Voafidim-bahoaka ara-dalàna ny Filoha Andry Rajoelina ka tsy misy mihitsy antony, na lalàna, manery azy tsy maintsy hisokatra amin’ny mpanohitra amin’ny fananganana ny Governemanta vaovao, hoy Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo omaly, raha niresaka mahakasika ny fanambaran’ny olona sasany izay mitaky ny tokony hametrahana ny Governemantan’ny fisokafana mba hisian’ny fampandrosoana.

“Fanjakana lany tamin’ny fomba demokratika no misy eto fa tsy tetezamita ka misy fizarana fahefana”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta teo aloha, Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo, raha niresaka momba ny fananganana Governemanta vaovao, omaly. Lany tamin’ny fomba demokratika ny Filoha Andry Rajoelina, hoy izy, ka tsy misy mihitsy lalàna miteny fa ny fahefany dia tsy maintsy zarainy amin’ny mpanohitra, na manery azy hanao ny fisokafana. Mampametra-panontaniana tokoa ny amin’ny hoe “Raha ny mpanohitra ankehitriny ve no teo amin’ny Fitondrana dia hanaiky ny hisokatra tamin’ny mpanohitra azy ireo?”

Notsiahivina fa tranga manokana no nisy tamin’ny taona 2018 satria nisy ny fanapahana avy tamin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay nanery ny Mpitondra tamin’izany hisokatra. Ny Antoko Politika avy amin’ny fanoherana tamin’izany fotoana rahateo no nanana ny maro an’isa teo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ka nitaky ny tokony hampiharana izay voalazan’ny Lalàmpanorenana tamin’izay ho atao Praiminisitra. Mbola noresahiny ihany koa ny vanim-potoan’ny Tetezamita izay nisian’ny fiaraha-mitantana teto amin’ny Firenena mba ho fanajana izay voalazan’ny tondrozotra tamin’izany fotoana izany.

Fisokafana hisian’ny fampandrosoana?

Tsy mbola nisy Fanjakana teto ambonin’ny tany nanome sehatra ny mpanohitra tao anaty Fitondrana izany, hoy ny fanazavana, raha tsy amina tranga manokana na vanim-potoana manokana. Araka ny fantatra dia isan’ny voizin’ireo mangataka io Governemantan’ny fisokafana io ny mba hisian’ny fampandrosoana marina eto amin’ny tany sy ny Firenena. Nahitsy Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo, raha namaly izany omaly, izay nilaza fa ny mifanohitra amin’izany fampandrosoana izany no miseho rehefa fiaraha-mitantana no misy. Mbola nampahatsiahiviny indray ny niseho tamin’ny taona 2018 izay nisiana tsy fitoviam-pijery tamin’ireo samy mpikamban’ny Governemanta tamin’izany. “Misy ireo nametraka ny Filoham-pirenena mpisolo toerana ho lehibeny, misy kosa ireo nametraka ny Praiminisitra ho lehibeny”, hoy ny fanazavany. Dikany, samy manao izay tiany ny Minisitra tao anatin’ny  Governemanta fa tsy nanana vina iombonana. Ary mazava ho azy, tsy nisy ny fampandrosoana azo nandrasana. Mbola toy izany koa no niseho tamin’ny fotoan’ny Tetezamita izay nisiana fiaraha-mitantana ihany koa. Samy nanao izay tiana sy napetipety azy daholo ny Minisitra tsirairay fa tsy afaka tena nisitraka fampandrosoana ny Firenena, hoy izy. Fehiny, fametrahana olona mitovy tanjona sy fomba fijery irery ihany no hahafahana manarina ny tsy nety teo aloha, ka hisitrahan’ny vahoaka fampandrosoana marina.

Ny Fanoratana.  

Fampandehanan-draharaha andavanandro

Mbola samy eo am-piandrasana ny fananganana ny mpikamban’ny Governemanta vaovao isika ankehitriny. Omaly, nandritra ny fandaharana nataony tao amin’ny fahitalavi-pirenena, nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika ilay hoe “expédition des affaires courantes » na fampandehanan-draharaha andavanandro ny Mpitondra tenin’ny Governemanta teo aloha, Lalatiana Andriatongarivo. Mila tohizana hatrany ny raharaham-panjakana, hoy izy, ka antony tsy maintsy mbola hiasan’ny Minisitra teo aloha rehetra. Na izany aza, efa voafetra ny fahefan’ireo Minisitra teo aloha ireo. Isan’izany ny tsy fahazoana mandray fanapahankevitra na manao Sonia fifanarahana mamatotra ny Minisitera. Tsy mahazo manao fitokanana zava-bita amin’ny maha minisitra ihany koa. Eo koa ny tsy fahazoana manasonia didim-panjakana intsony. Ireo mpiasam-panjakana ambony kosa anefa, hoy izy, dia tsy miova fa manohy ny asany, satria didim-panjakana hafa mihitsy no nanendrena azy ireny.

Fermer