PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA VAOVAO: Tombanana ny hisarahan’ny departemanta minisiterialy sasany
Hatramin’ny ora nanoratanay omaly, tsy mbola nivoaka ny lisitr’ireo mpikambana handrafitra ny Governemanta vaovao tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Raha toa ka fanovana olona no tena be mpiresaka amin’ny endriky ny Governemanta vaovao ho avy eo, tombanan’ny mpanara-baovao ihany koa ny mety hisian’ny fanovan-drafitra eo amin’ireo departemanta minisiterialy sasany izay sokajina ho mavesatra tao anatin’ny Governemanta teo aloha. Anisan’ny voaresaka voalohany amin’izany ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana. Ity farany izay voatondro voalohany ho tomponandraikitra tamin’ny tsy fahafehezana ny vidin’entana amin’izao fotoana. Araka izany, azo everina ny mety hanokanana ho minisitera mitokana ny sehatry ny varotra, izay hisaraka amin’ny indostria sy ny asatanana. Eo koa ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, izay everin’ny mpandinika fa tena mavesatra. Raha tsiahivina dia efa nisy fotoana tany aloha nanokanana ho Minisitera iray mitokana ny sehatry ny Jono, ka heverina ny hamerenana izany indray amin’ity Governemanta vaovao vao ho avy ity. Ary farany ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy. Manoloana ireo tetikasa sy fanamby maro mahakasika fanamboarana fotodrafitrasa, tombanan’ny maro ny mety hampandehanana mitokana ny Minisitera hisahana ny lafiny asa vaventy. Tombatomban’ny mpandinika ny raharaham-pirenena ihany anefa ireo fa ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra irery ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany mahakasika izany.
Olona natolotry ny Depiote IRD
Mbola nohamafisin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa omaly ny fanirian’ny vondron’ny maro an’isa eo anivon’ity Andrimpanjakana ity, ny hisian’ny Solombavambahoaka eo anivon’ny Governemanta vaovao. Araka ny fantatra, dia efa nisy ny anarana vitsivitsy nalefan’ny birao politika IRD any amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ho amin’izany toerana izany. Misy amin’izy ireo no Depiote am-perinasa, misy kosa ny mpanao politika tsotra fa natolotra kosa amin’ny anaran’ny vondrona IRD.



