Non classé

MPAMONJY VOINA 72 TAONA 292 ny firehetana niseho teto Antananarivo hatramin’ny 2020, notokanana ny toby eny Analamahitsy

72 taona katroka tamin’ity taona ity ny Sampana Mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra. Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny Mpamonjy voina eto Antananarivo, ohatra, dia nahatratra 292 ireo trangana firehetana nisy sy novonjen’izy ireo teto Antananarivo sy ny manodidina, ary ny 235 tamin’izany no teto Antananarivo Renivohitra. Notokanana ny tobin’ny Mpamonjy voina vaovao eny Analamahitsy…

Tao anatin’izay 72 taona nisian’ny Mpamonjy voina teto Antananarivo Renivohitra izay, nahatratra 292 ny isan’ireo firehetana nitranga. Ny 235 dia teto Antananarivo Renivohitra avokoa, raha tany amin’ireo kaominana manodidina ny 57 ambiny. Raha haravona ny salan’isa nandritra ny 5 taona farany, dia niakatra ny tahan’ny firehetana niseho teto Antananarivo Renivohitra, izay. Na teo aza ny ezaka fanafainganana an’ireo Toby efa misy rehetra eto, tsapa hatrany fa tsy ampy izany, nohon’ny fahasahiranana mitranga tampoka, toy ny elanelana misy ny Mpamonjy voina sy ny toerana itrangan’ny loza. Manampy trotraka koa ny tsy fisiana na fahasimban’ireny vava rano (bouche d’incendie) ireny. Ny anton’izany moa, dia ny fisian’ireo fananganana tsy ara-dalàna, na famotehana lalana tsy an-drariny ka manototra ireny fitaovana famonjena loza ireny, izay tsy tsapan’ny sasany loatra ny tena antom-pisian’izy ireny hatramin’izay. Ny loza firehetana toy ireny, anefa, tsy azo lavina velively na dia sanatriavina, aza, nohon’ny hamaroan’ny mponina an-dRenivohitra. Fa eo koa ny mety ho tampoka tsy ampoizina nohon’ny tsy fitandremana kely.

Notokanana ny tobin’ny Mpamonjy voina vaovao

Izany indrindra no nikarohan’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra paikady entina hanampiana ireny tobin’ny vonjy voina ireny. Notokanana ny faran’ny herinandro teo, araka izany, ny toby vaovaon’ny Sampana mpamonjy voina etsy Analamahitsy, boriborintany fahadimy, manampy ireo efa misy toy ny etsy Tsaralalana foibe, ohatra. Eo koa ny mpamonjy voina etsy Andravoahangy, ny any Atsimondrano sy ny sisa. Fantatra avy amin’izany, fa hihena kokoa ny fotoana lany amin’ny fivezivezena lavitra hamonjena ireo voina miseho mety hitranga anaty fotoana iray. Ho voavonjy haigana koa ireo hain-trano sy tranga rehetra, avy amin’ny fahamaroan’ireo toby. Natao sonia io fahazoana toby vaovao io, raha ny fantatra, ary hisitraka izany ny kaominina manodidina an’Antananarivo. Io toby vaovao io dia foto-drafitrasa mahazaka fiara famonoana afo miisa telo, ary fiara famonjena marary iray. Misy koa ny toerana natokana hikojakojana ireo fitaovana fampiasa

hamonjena voina, ary toerana ho an’ireo mpamonjy voina mpiandry raharaha. Toy ireo toby rehetra efa misy, hiasa 24 ora amin’ny 24 ora ny toby vaovao etsy Analamahitsy, hahafahana miantoka ny fiandrasana raharaha ho an’ny vondrona mpamonjy voina 15. Izany hoe misy birao, efitra fatoriana sy fisakafoanana, fanadraisam-bahiny, ary toeram-pidiovana ny foto-drafitrasa. Ny soatoavin’ny sampana Mpamonjy voina dia “Fitsipika, Heri-po, ary Fandavantena”. Ny tanjon’ny vondrona mpamonjy voina dia miasa, milofo ary manao ny tsara kokoa hatrany amin’ny andraikitra sahaniny. Efa nisy ireo fampidirana Sampana mpamonjy voina miisa 50, ary ny taona manaraka dia hitohy hatrany izany fampidirana vaovao izany. Hitohy toy izany koa ny fanaovana fotodrafitrasa hafa. Tonga nitokana io fotodrafitrasa vaovao io ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra mivady, notronin’ireo manam-pahefana isan-tokony sy olom-boafidy, ary olom-botendry.

Tokony ho malina amin’ny fotoanan’ny hafanana…

Hiditra amin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara, afaka herinandro vitsivitsy. Maro ny loza mety haterak’izany, saingy azo sorohana tsara izany, arak’ireo toromarika efa fanomen’ny Mpamonjy voina. Vokatry ny hafanana be no mety hiteraka fahamaizana, raha ny fampahafantarana fanaon’izy ireo. Tsy ny hafanana ihany no hanjaka amin’io fotoana io, fa eo koa ny rivotra mitsoka maina, izay mampiitatra ny afo kely ho lasa mijoalajoala. Araka izany, misy ireo fisorohana sy fiarovana tokony tsy hohadioin’ny rehetra, miainga ao an-tokantrano, ary hifampitain’ny mpifanolobodirindrina. Vonoina avokoa ny fitaovana rehetra mpandeha amin’ny herinaratra, rehefa mivoaka ny trano, ary esorina amin’ny lavaka ny tariby mpandray herinaratra. Tsy azo avela an-trano irery ny zaza na ny ankizy, ary ireo efa zokiolona sy be antitra, izay mety tsy hahatandrina na halaim-panahy hikitikitika afo sy afokasika. Raha sendran’ny loza, antsoina avy hatrany ny laharana maitso « 118 ».

Fermer