PolitikaSongadim-baovao

FAHAMARINAN-TOERANA ARA-POLITIKA : Mampirisika ny fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika ny SADC

Tontosa omaly 17 aogositra 2021 tao amin’ny Bingu Wa Mutharika International Convention Center, Malawi, ny fihaonana an-tampony faha 41-n'ireo Filoham-panjakana sy Governemanta mivondrona eo anivon’ny SADC. Nandray anjara tamin’izany fihaonana lehibe izany ihany koa ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny delegasiona notarihany.

Anisan’ny nivoitra nandritra ny fihaonana an-tampony faha 41-n’ireo Filoham-panjakana sy Governemanta mivondrona ao amin’ny SADC, ny firaisana feo ny amin’ny tokony hametrahana hatrany ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ary ny fahamarinan-toerana ara politika aty amin’ny Firenena afrikanina. Ary niombon-kevitra ireo Mpitondra afrikanina nandray anjara tamin’ny fihaonana fa anisan’ny fototra hahatanteraka izany rehetra izany ny fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika. Ny Firenena afrikanina rahateo, izay matetika mizaka ny voka-dratsin’ny fanonganam-panjakana, na fandrombahana fahefana amin’ny fomba tsy demokratika. Miseho amin’ny endriny marolafy izany, izay mahatonga fiantraikany ratsy goavana, tsy eo amin’ny raharaha politika ihany, fa amin’ny sehatry ny toekarena ihany koa. Vao haingana isika no nahare ny fisian’ny fikasana hanongam-panjakana teto amintsika, tamin’ny fifofoana ny ain’ny Filoha. Tranga izay tafiditra ao anatin’ireo izay voalazan’ny SADC fa mifanohitra amin’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika. Amin’ny ankapobeny, miray fo amin’ny Filoha malagasy Andry Rajoelina ny eo anivon’ny SADC amin’ny tokony hampitsaharana ny herisetra sy ny fanonganam-panjakana amin’ny endriny rehetra mba hisian’ny fitoniana.

Raha tsiahivina, efa naneho io fanohanany ny Filoha Andry Rajoelina io ihany koa ny Vondrona Afrikanina tamin’ny alalan’ny iraka manokana nalefan’ny Filohany teto amintsika, herinandro vitsy lasa izay. Mandala tanteraka ny fitoniana politika, noho izany, ireo firenena iray kaontinanta amintsika. Tsiahivina koa fa efa nahazoantsika ny fanohanan’ny SADC ny fitakiana ireo Nosy Malagasy, izay takintsika amin’ny Frantsay ankehitriny.

 Fifamindram-pahefana

Nandritra ity fihaonana ity, samy nanamarika ireo Filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana ireo fa tena niantraika mafy tamin’ny toekaren’ny firenena tsirairay, izay efa marefo ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19. Anisan’ny nanamarika ity fihaonambe faha-41 ny SADC ity kosa, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Filohan’ny Mozambique Filipe Nyusi izay Filohan’ny SADC teo aloha sy ny Filohan’i Malawi, Lazarus Chakwera, izay hitantana ny SADC mandritra ny herintaona. Notanterahina nandritra io fotoana io ihany koa ny fanaovam-beloma ny Sekretera Mpanatanteraka, Dr Stergomena Lawrence Tax, izay valo taona izao no nitana izany andraikitra izany teo anivon’ny SADC, ary mbola andrasana izay hisolo toerana azy.

Ny Fanoratana.

Fermer