PolitikaSongadim-baovao
FAMOAHAM-BOLAM-PANJAKANA: Miato mandra-panendrena ny Tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana
Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly izay nanaisotra tamin’ny toerany, ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana. Noho izany indrindra, nisy ny fampahafantarana omaly ny mbola fiatoan’ny famoaham-bolam-panjakana rehetra aloha, ankoatran’ny karama, mandra-pisy ny Tale Jeneraly vaovao eo amin’ity fitaleavana ambony ity.
Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2019-2217 tamin’ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola na « Directeur Général du Trésor auprès du Ministère de l’Economie et des Finances. Nifanindran-dalana tamin’izany ihany koa ny fampahafantarana mahakasika ny fiatoan’ny fandoavam-bola rehetra eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana, ankoatran’ny Karama. Fanapahan-kevitra izay hihatra mandra-panendrena ny Tale Jeneraly vaovao hitantana ny “Trésor Public”. Tsara ho fantatra fa ankoatran’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny, anjara asan’ny Tahirim-bolam-panjakana ihany koa ny fitsinjarana ireo fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona.
Fanatsarana
Raha tsiahivina, tamin’ny fotoana nandraisany ny fitantanana ny Minisitera, ny fiandohan’ny herinandro teo, nanambara ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola vaovao, Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, fa anisan’ny sehatra ahitana fahaverezam-bolam-panjakana betsaka ny fandoavana karama sy ny lafiny fisotroan-dronono. Vola manodidina ny 11 000 miliara ariary no vinavinaina apesaina amin’ity taona ity, hoy ny Minisitra. Ny 3 000 miliara amin’izay dia karaman’ny mpiasam-panjakana, raha toa ka 800 miliara latsaka ny fisotroan-dronono. Misy amin’izany vola izany anefa no voahodinkodina, hoy izy, ary misy mandeha any amin’ny tsy tokony halehany. Misy koa ireo olona mandray karama mihoatra ny tokony ho raisiny. Misy ireo efa maty tsy tokony handray fisotroan-dronono intsony kanefa mbola hamoahana vola hatrany. Ny tenany izay efa nitondra vahaolana amin’ny tokony hirosoana amin’ny fampiasana ny teknolojia amin’ny fikirakirana ny volam-panjakana, hisorohana ny fanodinkodinana mety ho ataon’ny mpiasa. Azo everina, noho izany, fa tafiditra ao anatin’io asa fanatsarana tiana apetraka eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana io, ny fanoloana ny Tale Jeneraly miandraikitra izany.




